mercredi 9 septembre 2020

Alarobia 09 Septambra 2020 - Mat 21 : 23 - 32

 23Nony tafiditra tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia nampianatra. Ary nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon’ny vahoaka jiosy ka nanontany Azy hoe:

–Fahefana ahoana moa no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?

24Dia novalian’i Jesoa hoe:

–Izaho koa mba hanontany anareo zavatra anankiray monja; ka raha omenareo valiny Aho, dia holazaiko anareo koa ny fahefana anaovako an’izao zavatra izao. 25Iza no naniraka an’i Jôhany hanao batisa21.25 Jereo 3.6., Andriamanitra sa olombelona?

Dia velona ady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe:

–Raha lazaintsika hoe: «Andriamanitra no naniraka azy», dia isika no hataony hoe: «Koa nahoana no tsy ninoanareo i Jôhany?» 26Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy», dia ny vahoaka no atahorantsika satria nankatoavin’izy rehetra ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany.

27Koa dia izao no navalin-dry zareo an’i Jesoa:

–Tsy hitanay izay holazaina!

Ary hoy i Jesoa taminy:

–Izaho koa tsy hilaza aminareo ny fahefana anaovako an’izao zavatra izao.

28Dia hoy indray i Jesoa tamin’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholona hoe:

–Ahoana kosa ny hevitrareo ny amin’ity? Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. Dia nankeo amin’ny voalohany izy ka niteny taminy hoe: «Ndeha, anaka, miasa any amin’ny tanimboaloboko anio!» 29Ary hoy ny navaliny: «Izao dia izao ihany aho dia handeha, tompoko»; kanjo tsy nandeha ilay io. 30Dia nankeo amin’ny faharoa izy ka niteny taminy toy izany koa. Ary hoy ny navaliny: «Tsy handeha aho»; kanjo nanenina izy taorian’izany ka nandeha ihany. 31Iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy?

Dia hoy ireo:

–Ilay faharoa!

Ary i Jesoa nanao tamin-dry zareo hoe:

–Lazaiko marina aminareo fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy mpivarotena dia efa nialoha anareo ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 32Eny, tonga teo aminareo i Jôhany Mpanao batisa, ary naneho taminareo ny lala-marina voasoritr’Andriamanitra, saingy tsy nino an’i Jôhany ianareo, fa ireo mpamory hetra sy vehivavy mpivarotena no nino azy; ary ianareo kosa, na dia efa nahita azy ireny aza, dia mbola tsy nanenina ihany taorian’izany mba hinoanareo an’i Jôhany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12