jeudi 3 septembre 2020

Alakamisy 03 Septambra 2020 - II Mpa 17 : 24 - 28

 24Fa nitondra olona avy tany Babilôna sy Kotà na avy tany Havà sy Hamata ary Sefarvaîma ny mpanjakan’i Asiria mba hapetrany amin’ireo tanànan’i Samaria hisolo ny Israelita izay voasesitany; ireo no nahazo ny faritr’i Samaria ho fananany ka nitoetra tamin’ny tanànany. 25Raha vao nanomboka nipetraka tamin’ireny toerana ireny izy, dia tsy nanaja ny TOMPO ka nandefasany liona izay nahafaty maro taminy. 26Dia nilazana ny mpanjakan’i Asiria hoe:

–Ny olona izay nafindranao sy nampitoerinao teny amin’ny tanànan’i Samaria dia tsy mahalala izay fomba fanao amin’ny Andriamanitry ny tany any ka dia nandefasany liona izay nahafaty maro taminy.

27Koa nanome baiko ny mpanjakan’i Asiria nanao hoe:

–Maniraha mpisorona iray amin’ireo nataonareo sesitany mba handeha honina any, ka hampianatra azy ny fomba fanompoana ny Andriamanitry ny tany any.

28Izany no nahatonga ny mpisorona voasesitany iray avy tany Samaria honina tao Betela ka nampianatra ny mponina ny fomba fanajana ny TOMPO.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12