vendredi 4 septembre 2020

Zoma 04 Septambra 2020 - I Kor 3 : 10 - 15

 Trano aorin’Andriamanitra koa ianareo. 10Araka ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy, dia nametraka ny fototra toy ny mpità-marika mahay aho; ary olon-kafa no mandrafitra eo ambonin’izany. Kanefa aoka samy hitandrina tsara ny fomba andrafetany; 11satria tsy misy mahazo mametraka fototra hafa, ankoatra ilay efa eo, dia i Jesoa Kristy. 12Ny arafitra eo ambonin’izany fototra izany dia mety ho volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka, na mololo; 13kanefa dia hiseho ny asan’ny tsirairay amin’ilay andro fitsarana izay hampiharihary izany. Fa amin’ny afo no hisehoan’izany andro izany, ka dia hosedrain’io afo io ny asa vitan’ny tsirairay hahitana izay hamafiny. 14Raha asa mahatanty afo moa no narafiny teo ambony fototra, dia handraisany valisoa. 15Raha asa kilan’ny afo kosa, dia hahafaty antoka azy; kanefa ny tenany dia hovonjena ihany, saingy toy ny namakivaky afo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12