lundi 21 septembre 2020

Alatsinainy 21 Septambra 2020 - Deo 10 : 12 - 22

 12Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin’ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo. 13Andrandrain’ny TOMPO aminareo ny hitandremanareo ny didy aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio mba hahasambatra anareo. 14Indro fa an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy. 15Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan’ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao. 16Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an’ny TOMPO10.16 Ny RM dia manambara izany hevitra izany araka ny fomba fiteny hoe forao ny fonareo. Ny famorana manko ho famantarana fa voatokana ho an’ny Tompo, anisan’ny vahoakany tokoa ny olona anankiray., fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona10.17 Tompon’ny tompo: jereo 1Tim 6.15; Apôk 17.14; 19.16. –tsy mba mizaha tavan’olona: izany hoe tsy mba miangatra; jereo Asa 10.34; Rm 2.11; Ef 6.9. na mandray kolikoly; 18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19Koa tiavo ny vahiny eo aminareo, fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo.

20Ilay TOMPO Andriamanitrareo no hohajainareo, Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo, ary ny anarany no hianiananareo. 21Izy no fidèranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonareo ireny10.21 Ny ambara eto dia ny zava-mahagaga nataon’ny Tompo tamin’ny nialan’ny vahoakany tany Ejipta, jereo Eks 7–12.. 22Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo10.22 fitopolo: jereo Gen 46.27; Eks 1.5 sy nta; Asa 7.14. –maro tahaka...ianareo: 22.17; Heb 11.12..

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12