dimanche 2 décembre 2018

Alahady 02 Desambra 2018 - Zef 3 : 14 - 20

14Mihobia, ry tanànan'i Tsiôna!
Manaova firavoravoana, ry vahoakan'i Israely!
Mifalia sy mibitaha amin'ny fonareo manontolo,
ry mponin'i Jerosalema!
15Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana
izay nitambesatra taminareo;
Izy efa nampandositra ny fahavalonareo.
Ny TOMPO, mpanjakan'i Israely, no momba anareo
ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.
16Io andro io no hilazana amin'i Jerosalema hoe:
«Aza matahotra, ry tanànan'i Tsiôna,
aza miraviravy tanana!
17Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao;
mahery Izy ka hampandresy anao.
Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy;
ny fitiavany no anavaozany anao;
noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy
18toy ny amin'ny andro fety.»

Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana,
hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.
19Indro tonga ny fotoana hamelezako
izay rehetra nampahory anareo.
Hotsaboiko ny maratranareo,
hampodîko ny voasesitany;
eny, havadiko ho voninahitra sy laza
ny fanaovana tsinontsinona anareo
tany amin'ny tany rehetra.
20Amin'izany fotoana izany tokoa
no hampodiako sy hamoriako anareo.
Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo;
homeko voninahitra sy laza ianareo
any amin'ny firenena rehetra eto an-tany.»

Ireo antony mahatonga ny mpino hifaly

1- Ny baikon'ny Tompo

"Mihobia, manaova feo fifaliana. mifalia sy miaravoravoa..." And. 14) Ny Tompo mihitsv no mitaona ny mpino hifaly sy hiravoravo eto. Voasoratra hoe :"Ary miravoravoa amin'i Jehovah. dia homeny anao izay irin'ny fonao" (Sal. 37.4)

2- Ny fampanantenana omeny

Tsy hahita loza intsony ianao (And. 15) hasiako izay rehetra mampahory anao. hovonjeko ny mandringa, hovoriko ny noroahìna (And. 19). Tsy mitovy ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Hita taratra izany amin'izao vanim-potoana izay hisian'ny fandriam-pahalemana marisarisa izao. Ho antsika dia eo ny Tompo momba antsika mandrakariva (Zef 3, 17 ; Mat 28._20b)

3- Noho ny fepetra mazava voasoratra

"Hangoniko izay manina fotoam-pivavahana" (Zef 3. 18). Tsy mba afaka manompo ankahalalahana ny mpino any am-pahababoana. Miasa ny Tompo ka manafaka sy mamory.

4- Noho ny valim-bavaka omanin'ny Tompo

" Hampodiako avy amin'ny fahababoana ianareo. ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah * (Zef 3, 20d). Afaka misantatra fianam-pifaliana isika, eo am- piandrasana valim-bavaka. Fahatokiana sy faharetana no anjarantsika.

Fanontaniana :
lnona no mampiavaka ny fifaliana ao amin'ny Tompo sy ny fifaliana eo amin'izao tontolo izao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12