mercredi 26 décembre 2018

Alarobia 26 Desambra 2018 - Mat 2 : 6 - 12

6«Ary ianao, ry Betlehema, tanin'i Joda,
tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin'ireo tanàna malazan'i Jodea;
fa avy aminao no hipoiran'ilay filoha
izay ho mpiandry an'i Israely vahoakako.»

7Tamin'izay dia nampiantsoin'i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan'ny kintana; 8izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe:
–Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin'ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.

9-10Nony avy nandre ny tenin'ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin'ny toerana nisy ny zaza. 11Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin'i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan'ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora. 12Ary notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin'i Herôda, ka dia lalan-kafa no nizorany hody any amin'ny tany fonenany.

Ary nony nahita ny kintana izy dia nifaly indrindra »

Ny Magy avy tany amin'ny toeran-davitra, avy tany atsinanana no tonga tany Jerosalema nitady ny mba ihaona amin'i Jesoa. Manam-pahaizana momba ny kintana sy fandinihana ny lanitra ny Magy. Izany fahalalany izany anefa dia tsy nitondra azy mivantana ho any amin'ny Tompo, fa tany Jerosalema, teo anatrehan i Heroda aloha.

Mahagaga ny finiavan'ny Magy. sy ny fizotry ny tantara, fa ny fahaizana amam-pahalalan'ny Magy izay fiasana nitarika azy hizotra hanatona an'i Jesoa dia nilaina. kanefa ny Tenin'Andriamanitra izay voasoratra ao amin'ny Mika 5. 1. no kihon-dalana namily ny dian'izy ireo ihaona marina tamin'i Jesoa tao Betlehema. Nolazaina ny Tenin' Andriamanitra : kanefa mbola hitany ihany ny kintana. ka nifaly indrindra izy ireo.

Tena nilaina ny fahaizana ombam-piniavana tao amin'ny Magy; kanefa tsy nampihaona azy ireo tamin'ny Tompo Jesoa, fa nahitany an'i Heroda romotry ny hatezerana aza. Tahaka antsika manatona fiangonana izany, izay mety ahitantsika toetran'olona samihafa mety mahakivv antsika, saingy rehefa atodiky ny Tenin'Andriamanitra isika, ka mihaona marina amin'ny Tompo dia mifalia tahaka ny Magy. Aza mihevitra ny toetran'ny hafa, tahaka ny Magy tsy sahirana tamin'ny hatezeran'i Heroda, fa nifaly. Ny fahalalana nomen'ny Tompo antsika, omban'ny fahazavan'ny Tenin'Andriamanitra sy ny Fanahy Masina, no toy ny kintan'ny Magy izay mitarika antsika mpino, hanatona sy hihaona marina amin'i Jesoa.

Fanontaniana :
Moa tena tafahaona tamin'i Tompo tokoa ve ny rehetra amin'ny Krismasy toy izany ? Inona no antony ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12