vendredi 14 décembre 2018

Zoma 14 Desambra 2018 - Lio 10 : 21 - 24

21Tamin'izay fotoana izay indrindra, dia henika ny hafaliana tao amin'ny Fanahy Masina i Jesoa ka nanao hoe:
–Ray ô, Tompon'ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin'ny madinika. Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!

22Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin'izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy!

23Dia nitodika tamin'ny mpianany i Jesoa ka niteny taminy manokana hoe:
–Sambatra ianareo mahita maso izao hitanareo izao! 24Eny, lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.

Niverina tamin'ny fifaliana ireo fitopolo lahy nanao ny tatitra tamin'i Jesoa, satria nahatsiaro ho nahita fahombiazana tamin'ny iraka nampanaovina azy.

Ravoravo ao amin'ny Fanahy Masina, ka

1- Midera an'Andriamanitra (and.21)

Taorian'ny nahazoana ny vokatra tsara nentin'ireo mpanao tafika masina fito-polo lahy ity faharavoravoan'i Jesoa ity. Fifalian'ny lanitra tokoa ny fahombiazan'ny fambaboana fon'olona ho ao aminy. Ankoatra izany, dia feno fiderana an'Andriamanitra i Jesoa Kristy amin'ny maha- :
- Andriamanitra Mpahary. Tompon'izao rehetra izao,
- Andriamanitra manana ny hiheverany manokana sy hitondrany ny olony (Isa 55.8)
- Andriamanitra mahatanteraka ny sitrapony Izy.
Ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra eo amintsika dia tena tokony hiderantsika Azy amin'ny fontsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra.

2- Sambatra (and. 22 -24)

Hita taratra teo amin'i Jesoa ny fahasambarana aloha, satria nomen'ny Ray Azy avokoa nv zavatra rehetra. Misy fifamatorana lalina sy lehibe eo amin'ny Ray sy ny Zanaka. Mitana ny tsiambaratelon'ny Ray sy ny lanitra i Jesoa Kristy. Izany fahasambarana lehibe ao amin'i Jesoa izany no zarainy ihany koa amin'ny mpanaradia Azy, "dia nilazany taminy manokana hoe : Sambatra "(and.23). Fahasambarana mihoatra noho izay efa nandray hosotra tamin'ny Tompo toy ny mpaminany sy mpanjaka izany, koa tsy tokony hatao ambanin-javatra akory.

Fanontaniana:
Ny midera an'Andriamanitra no maha sambatra sa ny sambatra no midera an'Andrianianitra?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12