dimanche 9 décembre 2018

Alahady 09 Desambra 2018 - II Kor 13 : 5 - 12

5Diniho ny tenanareo, ka izahao toetra raha velona amin'ny finoana tokoa ianareo na tsia. Fantatrareo tsara fa ao anatinareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo! 6Manantena kosa aho fa raha izahay, dia ho fantatrareo fa tsy mba olona tsy voazaha toetra. 7Mangataka am-bavaka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hahavita ratsy mihitsy ianareo, tsy hoe mba hisehoanay ho olona voazaha toetra, fa mba hanaovanareo izay tsara, na dia hoheverina ho olona tsy voazaha toetra aza izahay. 8Fa tsy mba mahatohitra ny marina izahay fa ny mampandroso ny marina ihany. 9Eny, mahafaly anay raha malemy izahay fa ianareo kosa mahery; ka ny angatahinay am-bavaka, dia ny hahatanteraka anareo. 10Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola lavitra anareo aho; fandrao, rehefa mby eo aminareo aho, dia voatery hanao mafy loatra, araka ny fahefana nomen'ny Tompo ahy, dia fahefana natao hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy.

11Ary farany, ry havako, veloma finaritra ianareo! Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna, dia homba anareo ilay Andriamanitra loharanon'ny fitiavana sy ny fiadanana.

12Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pihavanana.

Ny mpino mifaly amin'ny fìtiavan'ny Tompo

1- Hita taratra amin'ny fomba fiasany

"Mba tsy hanao izay ratsy ianareo,... fa ny mba hanaovanareo izay tsara" (And. 7). Fantantsika fa ny voany no ahafantarana ny hazo. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara (Mat. 6, 18). Ny mpino mifaly amin'ny fitiavan'ny Tompo dia mifady ny ratsy ary misafidy hanao ny tsara. Sarotra ny mandrefy ny halalin'nv finoan'ny tsiraray saingy hita taratra sy miseho amin'ny alalan'ny asa tahaka izay teo amin' i Abrahama izany.

2- Hita taratra amin'ny toe-pony

" Farany, ry rahalahy. mifalia" (And. 11a). Mampieritreritra ny mahita kristiana izay monto-dava, malahelo lava, tezi-dava. Toa Kristiana tsy afa-po amin'ny fitantanan'Andriamanitra ka tsy ahitana andro mihiratra. Velon'ny fanantenana isika, ary mifaly amin'ny fanantenana. (Rom 12.12) Aza variana mitanisa ireo toe- javatra miiba. Fantaro fa ny zavatra rehetra miara-miasa ahasoa.

3- Hita taratra amin'ny fankamamianv fiombonana

"Miraisa saina, mihavana ». (andll). Ny fihavanana dia isan'ny nampiavaka ny Malagasy. Toa tsy mifanaraka amin'izany intsony ny zava-miseho ankehitriny, fa ady lahy. Amin'ny maha fanasina sy fahazavana antsika dia mazava ny baiko eto. "Miraisa saina, mihavàna". Mahamenatra ny mahita ny samy kristiana tsy mety hifamela heloka, na mihavana. Mazava ny baikon'ny Tompo : " Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo : eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. (Jao 13, 34).

Fanontaniana:
Inona no antony mahatonga ny mpino tsy mety mifamela heloka, no tsy mety mihavana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12