lundi 24 décembre 2018

Alatsinainy 24 Desambra 2018 - Jao 1 : 14 - 18

14Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin'ny Ray ho an'ny Zanaka lahitokana.
15Vavolombelona manambara Azy i Jôhany ka niantso mafy hoe:

–Izy no Ilay voalazako hoe: «Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»
16Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra: 17satria ny lalàna dia nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. 18Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin'ny Ray, no efa nanambara Azy.

Mifalia!

Mifalia amin'ny andro Krismasy toy izao satria ampahatsiahivin'ny Tompo amintsika fa:

1- Miara-monina amintsika Izy (and.14 a)

Ny fahatongavan'Andriamanitra ho olona miara-monina amintsika no loharanom-pifaliana ho an'ny mila vonjy. Tsarovana, amin'ny andro Krismasy toy izao izany ka rariny raha maneho ny hafaliany ny mpino. Fifaliana miaraka amin'Andriamanitra noho izany no hatao amin'ny andro toy izao satria eo amintsika Izy, miaraka amintsika.

2- Hitantsika ny voninahiny (and.14 b-15)

Ny fahalehibeazan'Andriamanitra no ambara amin'ny hoe ny voninahiny. Naseho ho hitantsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy izany ka ny teniny sy ny asany dia samy nampiseho izany fahalehibeazan'Andriamanitra izany avokoa
.
3- Henika ny fahasoavany isika (and.16-18)

Fanomezana maimaim-poana ateraky ny fitiavana ny fahasoavana. Ny famonjena antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy no fahasoavan' Andriamanitra omena izay mino. Tsv avy amin'ny asantsika izany fandrao hisy hirehareha fa vokatry ny fitiavan'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Endrika manao ahoana no tokony hanehoan'ny mpino ny fifaliany amin'ny andro Krismasy toy izao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12