mardi 18 décembre 2018

Talata 18 Desambra 2018 - Efe 1 : 3 - 6

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin'ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin'i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra. 4Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin'i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika, 5dia natokan'Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa izany no safidin'ny sitrapony. 6Hiderantsika an'Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin'ilay Zanany malalany.

Hita matetika eny amin'ny fiandohan'ny epistily ny fisaorana, izay mifantoka kokoa amin'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy, izay nifidy tamin'ny lasa. Koa, Misaora ao amin'i Kristy :

1- Izay nitahy antsika (and.3)

Fitahiana avy any an-danitra sy tanteraka no atolotr'Andriamanitra ny mpino, tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa tsy mba fitahiana hita maso akory. Tena asan'Andriamanitra, Ilay Tompo sy Loharanon'ny Fitahiana rehetra mihitsy no ambara eto. Mampibanjina antsika ny fanjakan'Andriamanitra, izay ho lovantsika miaraka amin'ireo mpino rehetra izany.

2- Izay nifidy antsika (and.4)

Miharihary eto fa Tompon'ny fiantsoana hatramin'ny voalohany Andriamanitra. Efa hitantsika tamin'ny nifidianany an'i Jeremia mpaminany izany (Jer 1.5). Sady mifidy amin'ny alalany Izy no mifidy ho Azy, mba ho fiderana ny Voninahiny. Miantso antsika hanam-pahamasinana tahaka Azy Izy, ahatonga antsika hanana anjara famonjena ao Aminy.

3- Izay nanangana antsika ho zanany (and.5)

Fitiavan'Andriamanitra lehibe no nanekeny handray antsika ho lovany, ka niantsoany antsika hoe "'zanany".: Fananganana anaka mampitolagaga fa tsy hampita fotsiny ny hareny, na ny fananany fotsiny, fa tena ny maha-izy azy tanteraka mihitsy. Ny zanak'Andriamanitra rehetra, araka izany, dia manana adidy haneho sy hanambara izay rehetra nomen'ny Ray azy.

Fanontaniana :
Mahatsiaro mahazo tombontsoa amin'ny nifidianan'ny Tompo anao ve ianao ? Ifampizarao amin'ny hafa izany

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12