mercredi 5 décembre 2018

Alarobia 05 Desambra 2018 - Jao 1 : 43 - 51

43Ny ampitson'iny, dia niroso nankany amin'ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin'i Filipo Izy ary nanao taminy hoe:
–Avia hiaraka amiko!

44I Filipo dia avy any Betsaidà, tanàna fiavian-dry i Andrea sy i Petera. 45Tafahaona tamin'i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan'i Mosesy tao amin'ny bokin'ny Lalàna sy voalazan'ireo mpaminany, dia i Jesoa zanak'i Jôsefa, Ilay avy any Nazareta.»

46Ary hoy i Natanaela taminy:
–Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta?

Dia novalian'i Filipo hoe:
–Ndao ianao hizaha!
4
7Nahita an'i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an'i Natanaela:
–Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka!

48Dia hoy i Natanaela taminy:
–Ahoana no ahafantaranao ahy?

Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao!

49Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe:
–Mpampianatra ô, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'i Israely!

50Ary novalian'i Jesoa hoe:
–Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao!

51Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin'ny anjelin'Andriamanitra miaka-midina eo ambonin'ny Zanak'olona!

Tia anao ny tompo ka

1- Miantso anao ho mpianany

Hita eto ny niantsoan'i Jesoa an'i Filipo sy Natanaela ho isan'ny mpianatra. Tsy mijanona teo izany fa nanome baiko ireo 12 lahy izy ka niteny hoe: ataovy mpianatra ny firenena rehetra (Mat 28, 19). Fahasoavana lehibe ho antsika ny antson'ny TOMPO manokana ho amin'ny fanompoana, ny ahafahantsika mianatra sy mandalina Soratra Masina ary indrindra ny hiainana izany isan'andro. Ankehitriny dia tsy mitsahatra mbola miantso olona ho mpiara-miasa aminy ny Tompo. Ny fanatanterahana izany ampifaliana dia endrika iray ahafahana maneho ny fanekena sy fankatoavana ny antso sy ireo andraikitra ankininy amintsika.

2- Fantany ianao

Indro ny tena Israelita tsy misy fitaka And. 47 ... fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy ianao (And 48). Ny tompo no manao dingana voalohany amin'ny fiantsoana. Ny fanoloran-tena asehontsika dia efa dingana ato afara ihany, valin-teny amin'ny antso sy ny fitiavany antsika . Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha (I Jao 4: 19). Tandremo ny mihevitra ny Tompo ho toy ny tsy mahalala na inona na inona. Alaviro ny fanahiana amin'izay fahasoavana onianiny ho anao. Fantany aho,fantany ny hetahetako, fantany ny zava- misy hiainako, fantany antsipirihany hatramin'ny madinika indrindra.

Fanontaniana:

Inona no nahatonga an'i Natanaela nanao hoe: Raby ò, Ianao no Zanak'Andriamanitra; lanao no Mpanjakan'ny Israely?(and 49).

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12