lundi 10 décembre 2018

Alatsinainy 10 Desambra 2018 - Est 9 : 15 - 17

15Dia nivory indray ny Jiosy tao Sosany iny andro faha-14 tamin'ny volana Adara iny ka namono olona telon-jato lahy tao an-tanàna. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
16-17Ny Jiosy hafa, nonina tany amin'ny faritany isan-tokony manerana ny fanjakan'ny amperôra, dia nivory koa hiaro ny ainy, rehefa nigadona ny andro faha-13 tamin'ny volana Adara; afaka tamin'ny fahavalony izy ary 75000 no matiny kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. Ary nitsahatra izy tamin'ny andro faha-14 ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.

Ny tranga eo amin'ny fiainan'ny mpino

1 -  Ao ny andro hiatrehana ady sarotra

"Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy". (And. 16a). Manam-pahavalo ny vahoakan' Andriamanitra, fahavalo tsy mitaza-potsiny fa mitady izay fomba rehetra handavoana sy handringanana. Tsy maintsy mijoro, ary tsy maintsy mandray andraikitra eo anatrehan' izany ny mpino. Voasoratra fa : "ny devoly fahavalo, dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany". Soa fa eo i Jesoa momba antsika mandrakariva.

2 -  Ao ny andro hifaliana sy hiravoravoana

Ao ny milaza fa ady ny fiainana. Misy tokoa ny fotoan- tsarotra diavintsika mazàna. Na izany aza dia misaotra ny Tompo isika fa hatrany hatrany, dia mahita ny adintsika Izy, mihaino Izy, mamaha olana Izy ary manome valimbavaka Izy. Izay ilaina amintsika dia fanomezam- boninahitra ny Tompo, ny fanehoana fifaliana sy firavoravoana.

3 - Ao ny andro hanomezana

" Dia nanao ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fanateran-javatra izy ireo" (And. 19d). Niatrika ady, hoy isika, ireto Jiosy ireto. Raha toa ka resy izy ireo dia sady voaroba ny fananany ary tandindomin- doza ny ainy. Teo anefa ny fiarovan'Andriamanitra ka fifaliana ho azy ireo ny nanome, nanolotra ho mariky nv fankasitrahana sy fisaorana. Voasoratra fa : " ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra". (II Kor. 9, 7)

Fanontaniana:
Inona no fíhetsika na marika hita maso sy azo tsapan- tanana ahafahana maneho ny fisaorana an'Andriamanitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12