dimanche 16 décembre 2018

Alahady 16 Desambra 2018 - Mat 5 : 1 - 12

1Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin'ny mpianany. 2Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:

3–Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra,
fa azy ny Fanjakàn'ny lanitra!
4Sambatra izay mitomany,
fa izy no hampiononin'Andriamanitra!
5Sambatra izay malemy fanahy,
fa izy no handova ny tany
nampanantenain'Andriamanitra!
6Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina
nosoritan'Andriamanitra,
fa izy no homen'Andriamanitra fahafaham-po!
7Sambatra izay mamindra fo,
fa izy no hamindran'Andriamanitra fo!
8Sambatra izay mahitsy fo,
fa izy no hahita an'Andriamanitra!
9Sambatra izay mpampihavana,
fa izy no hantsoin'Andriamanitra hoe zanany!
10Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina
nosoritan'Andriamanitra,
fa azy ny Fanjakàn'ny lanitra!

11Sambatra ianareo raha tevatevain'ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin'ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo. 12Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin'Andriamanitra talohanareo!

Hitanlsika tamin'iny herinandro iny fa ny fiainam-bavaka tao amin'i Jesoa no loharanon'ny fahasambarana. Hitantsika amin'ny antsipirihany kokoa izany eto.

1- Ny fahasambarana ho avy (and.1-10)

"Sambatra izay..." miisa valo no tanisaina eto raha ny DIEM no jerena. Hoy ny Malagasy hoe "ny Soa atao levenam-bola", koa ny fahasambarana ho azonao rahatrizay dia miankina tanteraka amin'ny ankehitrininao. Fantatry ny Tompo fa malahelo, ory, noana sy mangetaheta, ... ny olony, koa mampahery azy ireny ny Tompo tsy hitanondrika amin'izany toerana misy azy izany, fa hibanjina kosa ny mandrakizay izay efa nomanin Izy Tompo ho an'ny mpanaradia Azy (Jaol4.2). Miteraka finoana lalim-paka ao amin'ny mpino, araka izany, ireo zava-tsarotra rehetra lalovany.

2- Ny fahasambarana ankehitriny (and.11-12)

"Sambatra ianareo ... " kosa no hita eo amin'ny and. 11. Entina ilazana manokana ny mpianatry ny Tompo izany. Azo antoka mantsy fa raha ny Tompo aza tsy nisy lanjany tamin'ny fiaraha-monina, dia mba ho tsy nisy dikany taminy ihany koa ny mpianany. Ambaran'i Jesoa fa tombontsoa raisina ankehitriny ny fanenjehana ao amin'nv Marka 10:30. Noho ny fanjakan'ny lanitra izay efa ho avy, dia mampahery ny mpianatra i Jesoa hiditra amin'ny fanompoana mahatanty saoka kokoa. Mampahery antsika ny filazana fa tsy sambany teo amin'ny tantara akory ny fanenjehana mahazo anao (ampitahao I Petera5.9).

Fanontaniana :
Nahoana ny olona no mihazakazaka mitady fahasambarana eto an-tany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12