dimanche 23 décembre 2018

Alahady 23 Desambra 2018 - Deo 26 : 5 - 11

5Ary samy hiteny eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe:

«Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin'olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. 6Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy. 7Dia nitarainanay ilay TOMPO Andriamanitry ny razambenay, ka nohenoiny ny feonay ary hitany fa nahantra sy nijaly sady nampahorîna izahay. 8Fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ombàn'ny fampatahorana goavana sy famantarana ary zava-mahagaga no namoahan'ny TOMPO anay hiala tany Ejipta; 9ary nentiny hiditra teto amin'ity tany ity izahay ka nomeny anay ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. 10Koa ankehitriny, TOMPO ô, intỳ aho mitondra ny voaloham-bokatr'ilay tany izay efa nomenao ahy.»

Dia samy hametraka izany zavatra izany eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo sady hiankohoka hitsaoka ny TOMPO Andriamanitrareo. 11Avy eo noho ny soa rehetra izay nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hifaly ianareo miaraka amin'ny Levita sy ny vahiny eo aminareo.

Andriamanitra loharanom-pifaliana

Fanambara-pinoana lehibe amin'ny alalan'ny teny sy ny asa no ataon'ny vahoakan'Andriamanitra. Asongadina amin'izany fa Andriamanitra no loharanom-pifaliana satria:

1- Manafaka Izy (and.5-9)

Tsarovana eto ny nifidianan' Andriamanitra an'i Abrahama. ny fivahinianana tany Egypta ary ny fanomezana ny tany Kanana. Ny fanafahan'Andriamanitra indrindra no tiana avohitra eto satria izany no nahafanhan'ny zanak'Isiraely niaina sy nivelona finaritra teo amin'ny tany Kanana. Afaka mifaly toy izany koa isika noho ny fanafahan'Andriamanitra antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy ka tsy andevozin'ny fahotana samihafa intsony.

2- Manome ny soa Izy (and.10-11)

Hita taratra tamin'ny nanomezan'Andriamanitra azy ireo tany tondra-dronono sy tantely ny fanomezan' Andriamanitra ny soa ho an'ny vahoakany. Mifaly noho izany ny vahoaka ka mitondra ny voaloham-bokany ho an' Andriamanitra. Maro nv soa noraisintsika avy tamin' Andriamanitra ka voalohany indrindra amin'ireny ny namonjeny antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Mifalia ka manatera fisaorana ho Azy.

Fanontaniana:
Inona no manosika anao hanao fanatitra ho an'ny Tompo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12