jeudi 20 décembre 2018

Alakamisy 20 Desambra 2018 - Isa 65 : 17 - 25

17Fa indro Aho mahary habakabaka vaovao sy tany vaovao
ka tsy hotsarovana intsony
ny habakabaka sy tany taloha
na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18Fa mifalia sy miravoravoa hatrany ianareo
ny amin'ny zavatra izay hoarîko:
dia i Jerosalema heni-karavoana
ary ny vahoakany heni-kafaliana.
19Izaho koa hiravo amin'i Jerosalema
sy hifaly amin'ny vahoakako.
Fa tsy ho re ao Jerosalema intsony
na ny tomany na ny kiakiakam-pitarainana.
20Tsy hisy ao intsony ny zaza minono
izay ho faty anatin'ny andro vitsivitsy
na ny antitra tsy hahatapitra ny androny;
fa ho maty tanora izay maty zato taona,
ary heverina ho olona voaozona
izay tsy mahatratra zato taona.
21Hanao trano ny vahoakako,
ka hitoerany tokoa izany;
hamboly voaloboka izy
ka hihinana tokoa ny vokany.
22Tsy hanao trano hitoeran'ny hafa intsony izy
na hamboly zavatra hohanin'ny olon-kafa;
fa ho tahaka ny andro hiainan'ny hazo
ny andro hiainan'ny vahoakako,
ary ny olom-boafidiko hanaram-po
amin'ny vokatry ny asa vitany.
23Tsy hisasatra foana intsony izy
na hitera-jaza ho fatin'ny loza tampoka;
fa fianakaviana izay notahiko izy,
na ny tenany na ny zanany naterany.
24Mbola tsy miantso akory izy,
dia efa hamaly azy Aho;
ary mbola tsy tapi-miteny izy,
dia efa azoko ny tiany holazaina.
25Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak'ondry;
ny liona hihinam-bilona toy ny omby,
ary ny menarana kosa dia vovoka no ho fihinany.
Tsy hisy fanaovan-dratsy intsony, hoy AHO,
na fanimbàn-javatra intsony,
manerana ny tendrombohitro masina!

Manao sesilany ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly manomboka ao amin'ny toko faha 56. Na dia niaina ny fiainam-paharatsiana aza ny vahoaka, Andriamanitra kosa nanomana fiainana tsara lavitra ho azy ireo.

Ny fiainam-baovao omanin'ny Tompo :

1- Fiainam-pifaliana (and.17-20)

Sarin'ny tany vaovao sy lanitra vaovao no ambara fa haorina ao amin'ny firenen'Andriamanitra. Ho foana tsy hisy intsony ny ranomaso, tomany ary alahelo fa hisolo fifaliana tsy manam-piafarana izany. Samy ahazo anjara fifaliana sy faharavoravoana na ny vahoaka na i Jerosalema. Tandindon'ny fiainan-danitra efa omanin'ny Tompo ho antsika mpino rehetra koa izany, araka nv voalazan'ny Apokalipsy  21 : 4. Miombom-pifaliana tanteraka amin'Andriamanitra ny mpino, satria ny fifaliany no zarainy amin'ny mpanara-dia azy. Ny fiainana amin'ny fifaliana no maha ela velona (and.20).

2- Fiainam-piadanana (and.21-25)

Tsy hitovy amin'ny fiainana tany Babylona intsony no ampanantenan'Andriamanitra taorian'ny niverenany indray tao Jerosalema. Ambara fa hisitraka tanteraka ny asan'ny tanany izy fa tsy olon-kafa intsony no hamantam-bonina (and. 21-23). Ankoatr'izany, dia ho akaiky azy ireo hatrany Andriamanitra (and.24), ary hampanjaka tanteraka ny fílaminana. Tsy hisy intsony ny ho mpanjakazaka an-tanin'olona fa hiara-monina am-pilaminana ny vahoaka (and.25 ampit Isa 1 1.6-9). Rehefa miverina mankato an' Andriamanitra ny vahoaka, dia miverina amin'ny vahoaka hatrany ny teny fikasany hatramin'ny voalohany.

Fanontaniana :
Ahoana no iainana ny fifaliana amin'izao noely izao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12