mercredi 19 décembre 2018

Alarobia 19 Desambra 2018 - Zak 2 : 14 - 17

14Dia hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Mihobia sy mifalia, ry vahoakan'i Tsiôna,
fa indro avy honina ao afovoanareo Aho.
15Amin'izany andro izany,
firenena maro no hiraiki-po amiko
ka ho tonga vahoakako;
ary honina eo afovoanareo Aho.»

Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. 16Dia ho fananan'ny TOMPO indray i Joda ao amin'ny tany masina; ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray Izy. 17Aoka ny voaary rehetra hangina eo anatrehan'ny TOMPO satria avy ao amin'ny fonena-masiny Izy no hipoitra tampoka.

Ny fanarenana ny fiainan'ny Israelita taorian'ny fahababoana no ambaran'ny bokin'i Zakaria. Andriamanitra mihitsy no ho avy handray an-tanana hanarina sy hiaro ny tanàna.

Ho avy amim-boninahitra ny Tompo!

1- Hitoetra eo anivon'ny vahoaka (and.14-15)

Ny teny hoe "honina ao afovoanao Aho " dia fanambarana manetriketrika ataon'Andriamanitra fa hiverina hitoetra ao amin'ny Azy Izy. Fifaliana sy faharavoravoana lehibe no handraisana izany, satria izany no banga teo amin'ny Joda tany am-pahababoana. Fanambarana Mesianika lehibe tanteraka tao amin'i Jesoa Kristy. Ilay Teny tonga nofo ka nonina na nitoetra an-day tamintsika izany (Jao1 l4a). Fampaherezana ho antsika mpino izany. ka mendrika ho deraina amin'izao ankatoky ny noely izao satria Andriamanitra mirotsaka an-tsehatra eo anivontsika Izy.

2- Hanandratra ny fireneny (and.16-17)

Haverina amin'ny laoniny ny fifidianan'ny Tompo ny firenena voafidiny. Hanana ny hasiny indray i Joda sy i Jerosalema. Ihataka ho azy ny fahavalo. Ho tazan'izao tontolo izao izany, ka ahazo fankatoavana iraisam- pirenena izy, satria hiseho tampoka amim-boninahitra ny Tompo avy amin'io fítoerana masina io. Lasa ivon- toeram-pahamasinan'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao i Joda noho izany. Voambara hatrany fa avy amin'ny jiosy ny famonjena ary avy ao anatiny ho hivoahan'izay ho mpanampaka ny Israely (Matio 2.6). Manana anjara amin'ny fanarenana ity firenena ity, araka izany, ny fankalazana ny fihavian'ny Mpamonjy.

Fanontaniana :
Inona no antenaintsika amin'ny fihavian'ny Tompo'?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12