lundi 3 décembre 2018

Alatsinainy 03 Desambra 2018 - Hab 3 : 17 - 19

17Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy
ary tsy manome voa ny voaloboka,
na dia tsy mahavanona aza ny ôliva
ary tsy mahavokatra hanina ny saha,
na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra
ary tsy misy omby intsony ao am-bala,
18dia mbola ho faly sy ravo ihany aho
satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy.
19Ny TOMPO Andriamanitra no heriko;
mampalady ahy toy ny dieravavy Izy
ka mampiriaria ahy eny an-kavoana.

Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin'ny valiha.

Ny zava-mitranga eo amin'ny fiainana

1- Tsy mahasakana ny fifaliana ao amin'ny mpanompon'Andriamanitra

Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany ; hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy (And. 18). Maro ireo zava-mitranga atrehan'nv mpanompon' Andriamanitra, isan'izany ireo izay heverina fa toy ny faharesena, tsy fahombiazana. Na ny mpanao Salamo aza dia nanambara hoe: saiky solafaka nv diako, raha nahita ny fahombiazan'ny olon-dratsy . (Sal 73, 3 DIEM). Ny Soratra Masina dia efa. nampiomana fa: Any am-parany any dia hisy andro mahory (II Tim 3, I). Ho sahirana isika raha hiferinaina amin'ny toe-javatra izay efa mateti-pitranga. Tsikaritra fa misy olona marary eo ambony fandriana, mbola feno tsiky sy fanantenana, misy olona sahirana mbola mahita fifaliana ary misy olona misedra olana nefa mbola manana fiadanana.satrian fantany fa tsy miady irery izy.fa eo hatrany ny Tompo.

2- Tsy mahasakana ny fanompoana an' Andriamanitra

Jehovah Tompo no tanjako. ka mampandeha ahy amin'ny havoanako" (And. 19). Tsy miady irery ny mpanompon' Andriamanitra fa eo ny Tompo mampahery manolo-tsaina, mitantana sy mivimbina. Na mideza aza ny fiakarana, valim-piakarana fidinana. Voasoratra hoe: fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny TOMPO (I Kor 15:58).

Fanontaniana :
Nahoana no misy olona sahirana, tsy manan-kialofana. tsy manana tahiry mbola mirantava lavitra mihoatra noho izay heverina fa manana ny ampy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12