jeudi 13 décembre 2018

Alakamisy 13 Desambra 2018 - Lio 6 : 17 - 23

17Dia niara-nidina tamin'ny 12 lahy i Jesoa ho eny an-tany lemaka. Mpianany maro sy vahoaka betsaka avy any Jodea lafy valo sy Jerosalema ary ny morontsirak'i Tiro sy i Sidôna 18no tonga teo mba hihaino Azy sy hositraniny amin'ny aretiny; ka izay nampahorîn'ny fanahy maloto dia sitrana. 19Ary notadiavin'ny vahoaka rehetra hokasihina i Jesoa satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

20Dia nanopy maso ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe:
–Sambatra ianareo mahantra,
fa anareo ny Fanjakàn'Andriamanitra!
21Sambatra ianareo noana ankehitriny,
fa hovokisan'Andriamanitra!
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny,
fa hampifalîn'Andriamanitra!

22Sambatra ianareo raha halan'ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alàny baràka noho ianareo miandany amin'ny Zanak'olona. 23Aoka hifaly ianareo amin'ny andro hisehoan'izany ary aoka hibita-karavoana, satria valisoa lehibe no miandry anareo any an-danitra. Fa toy izany indrindra no nataon'ny razan-dry zareo tamin'ny mpaminanin'Andriamanitra.

Fiainan'i Jesoa Kristy mihitsy ny vavaka araka ny hita eo amin'ny and. 12. Nitokana toerana tany an-tendrombohitra Izy, raha nivavaka sady naharitra nandritra ny alina. Manàna fìainam-bavaka, fa izany no :

1- Loharanon'ny vahaolana rehetra (and. 17-19)

 Ny vavaka fanaon'i Jesoa toy nv eo amin'ny and. 12 dia nanovozanv hery ka nahavitany zavatra mahagaga maro. Nanodidina an'i Jesoa teo ny olona maro na jiosv na jentiiisa, miaraka amin'ny olany avy toy ny aretina; fanahy maloto. Nefa samy voavaha avokoa izany. Ambaran'ny and.19 fa nisy herv tao amin'i Jesoa nahafahany nanatanteraka izany. Io Ilav Herin'ny Avo Indrindra nahavitany fahagagana maro (Ampitahao Lio 1.35 ; 5.17). Tsy handositra ny olana no tokony hataontsika fa. ny maharitra mivava ka ahazoana hery hiatrehana ireo karazan'olana samihafa mahazo antsika ihany koa, satria tsy miova ny Tompo omaly sy anio ary mandrakizay.

2- Loharanon'ny fahasambarana (and.20-23)

Karazana fahasambarana efatra tsy mitovv amin'izao tontolo izao no ambara eto. Ny hevi-baventin'ny fahasambarana dia ny fampanantenana ny famonjena ho an'ireo izay ory sy mijaly ankehitriny. Ny fanjakan'Andriamanitra mantsy dia miseho tahaka ny fitsimbadihan'ny fiainana an-tany. Izay manangona harena ho an'ny tenany dia sambatra vetivety ihany fa tsy maharitra. Ho lasa ozona ny fananana raha tsy ampiasaina amin'ny asan'Andriamanitra. Ilaina amintsika, araka izany. ny ahafoy amin'ny asa tsara handovana ny lanitra.

Fanontaniana :
Mibaiko ny Tompo hanome izay tiantsika no tokony hatao rehefa mivavaka sa mangataka izay sitrapony?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12