dimanche 30 décembre 2018

Alahady 30 Desambra 2018 - Fil 4 : 1 - 9

1Toy izany àry, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy.

2Ry i Eodia sy i Sintîka, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo. 3Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.

4Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Mbola antitranteriko indray: mifalia! Manehoa fandeferana amin'ny olona rehetra. 5Tsy ho ela, dia ho tonga ny Tompo! 6Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin'Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin'ny fo feno fankasitrahana. 7Ary ilay fiadanana avy amin'Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan'olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ianareo.

8Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza. 9Ataovy izay efa nianaranareo sy noraisinareo tamiko ary izay renareo sy hitanareo nataoko. Dia homba anareo Andriamanitra loharanon'ny fiadanana.

Mifaly mandrakariva ny mpino

1- Noho ny fananana mpiara-manompo (and.1-3)

Fifaliana ho an'i Paoly ny fananana ireo namana mpiara- miasa mitoetra tsara amin'ny finoana sy ny fanompoana. Ny fandravonana ireo disadisa eo amin'ny samy mpiara-manompo no mampitoetra maharitra ny fifaliana eo anivon'ny Fiangonana. Amporisihana isika handravona ireny disadisa ireny.

2- Noho ny fahafahana mangataka amin'ny Tompo

Be ny zavatra mety hampanahy eo ampanaovana ny asan'ny Tompo. Ny mahafaly anefa dia ny fahafahana manandratra fangatahana mandrakariva eo amin'Ilay Andriamanitra mpaniraka (and.6-7). Izany rahateo no fanalahidin'ny fahombiazana eo amin'ny fijoroana vavolombelony.

3- Noho ny fananana mpanipianatra marina (and.8-10)

Be ny mpampianatra sandoka. Miseho ho marina, manan- kaja, mahitsy, madio, maha te ho tia, tsara laza, ary miseho ho manana hantsaram-panahy izy ireny kanefa mamily ny fon'ny maro hiala amin'ny finoana marina. Mifalia raha nomen'ny Tompo mpampianatra marina isika hitaiza antsika ara-panahy.

Fanontaniana :
Raha tompon' andraikitra ianao, ezaho tanisaina ny anaran 'ireo olona miara-miasa aminao

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12