lundi 17 décembre 2018

Alatsinainy 17 Desambra 2018 - Lio 1 5 - 17

5Tamin'ny andron'i Herôda mpanjakan'i Jodea, dia nisy mpisorona natao hoe Zakarià, isan'ny antoko-mpisoron'i Abià. Taranak'i Aharôna mpisorombe ny vadiny ary i Elizabeta no anarany. 6Olo-marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady ary nanaraka ny didy amam-pitsipiky ny Tompo an-tsakany sy an-davany. 7Tsy nanan-janaka anefa izy roa satria momba i Elizabeta sady efa samy zokiolona izy mivady.

8Indray andro dia nanao fisoronana teo anatrehan'Andriamanitra tao an-tempoly i Zakarià, satria tonga ny anjaran'ny antokony. 9Naroso ny antsapaka araka ny fanaon'ny mpisorona ka izy no voatendry handoro ny ditin-kazo manitra ao amin'ny Toeramasin'ny Tompo. 10Nivavaka teo ivelany kosa ny vahoaka rehetra nandritra ny fotoana nandoroana ny ditin-kazo manitra. 11Tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Zakarià sady nijoro teo ankavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. 12Taitra mafy ka raiki-tahotra i Zakarià nony nahita azy.

13Fa hoy ilay anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin'Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany. 14Ho faly sy ravo ianao ary ny besinimaro koa ho faly amin'ny hahaterahany! 15Eny, ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy, ary hifady divay sy zava-pisotro hafa mahamamo, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny. 16Maro amin'ny Israelita no hampodîny amin'ny Tompo Andriamanitra. 17Hombàn'ny fanahy aman-kerin'i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.

"Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny ahaterahany" and.14

Teny nambaran'ny anjely tamin'i Zakaria ny amin'ny hahaterahan'i Jaona Mpanao Batisa ity, fony izy nanao ny raharaham-pisoronana tao amin'ny Tempoly.

1- Fifaliana ho an'i Zakaria

Nihiratra ny anjara masoandro ho an'i Zakaria sy ny vadiny. Nambara mantsy fa momba i Elizabeta vadinv, nefa izy ireo mba samy tsara fototra sy samy marina teo anatrehan'Andriamanitra ihany (and.5-6). Tsy navelan' Andriamanitra hitsahatra hatreo izany taranaka tsara izany, ka dia natao ho fifalian'ny rainy. Ankehitriny dia nivaly ny vavaka fa ahazo zazalahy izy ireo, hatao hoe Jaona no anarany. Na dia efa tsy nanana fanantenana intsony aza izy ireo noho ny amin'ny taonany, Andriamanitra kosa tsy namela azy ireo irery. ka nahafa tondromaso azy. Toky ho an'ny mpanompon' Andriamanitra rehetra izay mitaraina Aminy izany.

2- Fifaliana ho an'ny maro

Tsy i Zakaria ihany no faly ravoravo tamin'ity valim-bavaka ity, fa hoy ny voalaza hoe "ary maro no hifaly amin'ny ahaterahany". Ambaran'ny and.16-17 ny iraka miandry azy dia ny fanomanana mialoha izay hihavian'ny Mpamonjy sy ny fampibebahana izao tontolo izao hahazoany ny famonjena. Marobe tokoa ireo efa nitorian'i Jaona teny sy nandray ny batisan'ny fìbebahana nentiny. Tafiditra ao anatin'ny drafitrasan'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao izany. Planina tsara rindra sy maty paika no efa voaomanan'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao, koa tokony ahay hifaly ny amin'izany isika.

Fanontaniana :
Fifaliana ho an'iza izao fahatongavan'ny noely izao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12