samedi 8 décembre 2018

Sabotsy 08 Desambra 2018 - Jao 16 : 20 - 28

 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa hitomany sy hisaona ianareo, ary izao tontolo izao kosa hifaly; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. 21Ory ny vehivavy, rehefa hiteraka, satria tonga ny fotoam-panaintainany; saingy rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony izay fahoriany, noho izy faly fa hoe misy olona teraka eo amin'izao tontolo izao. 22Ianareo koa dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanaisotra ny hafalianareo.

23Amin'izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo noho ny anarako izany. 24Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona noho ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho feno ny hafalianareo.

25–Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa ho avy ny vaninandro izay tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony fa hambarako tsotra aminareo ny momba ny Ray. 26Amin'izany andro izany dia hangataka noho ny anarako ianareo; ary Izaho tsy milaza hoe hangataka ho anareo amin'ny Ray, 27satria fatra-pitia anareo Izy. Eny, fatra-pitia anareo ny Ray, satria ianareo efa tia Ahy ary efa nino fa nivoaka avy any amin'ny Ray Aho. 28Nivoaka avy any amin'ny Ray Aho no tonga eto amin'izao tontolo izao; ary hiala eto amin'izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin'ny Ray.

Ny mampiavaka ny fifaliana ao amin'ny Tompo

1- Fifaliana maharitra

"Dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo" (Jao 16, 22d).Hita taratra amin'ity mofonaina anio ity fa mba rnifaly koa izao tontolo izao, kanefa tsy latsa-danja amin'izany ny fifalian'ny mpino Kristiana. Voalazan'i Jesoa fa tsy misy olona manaisotra io fifaliana ao amin'ny mpino io. Raha atao ny fampitahana tsotra dia fifaliana marivo tototra ny fifaliana eto amin'izao tontolo izao dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fìainana izao. Fifaliana mandalo vetivety kanefa maha kizo fara. Fifaliana manimba ny ho avy. Miafara amin'ny tebiteby sy fanahiana, tsy mitondra fitoniana. Ny fifaliana Kristiana kosa dia fifaliana tsara fototra, mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra, eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Fifaliana omban'ny fàhamendrena sy fahamasinana. Fifaliana manome voninahitra an' Andriamanitra. Fifaliana miara-dalana amin'ny fanantenana.

2- Fifaliana tanteraka

" Mangataha, dia ahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo. (Jao 16. 24b).llaina ny mandray am-pifaliana ny fanomezana avy any ambony. Tanteraka ny fifaliana rehefa nangataka tamin'ny anaran'i Jesoa Kristy ary nomeny valim-bavaka araka izay hetaheta sy faniriana nambara taminy. Mazàna dia manome mihoatra izay angatahina ny Tompo ary vao mainka mampivoitra ny fifaliana izany. Mila manana vina lavitra ezaka ny mpino ary manana fahasahiana hanao asa lehibe mba anehoana ny voninahitr' Andriamanitra.

Fanontaniana:
Inona no mampiavaka ny fifaliana vokatry ny fitiavan'ny Tompo, raha oharina amin'ny fifalian'izao tontolo izao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12