dimanche 4 mars 2018

Alahady 04 Martsa 2018 - Eze 18 : 27 - 32

 27Raha misy kosa olon-dratsy miala amin'ny faharatsiana nataony, ka manao izay marina sy mahitsy, dia mamonjy ny ainy izy. 28Ho velona tokoa izy fa tsy ho faty satria nahatsapa ny asa ratsiny ka niala tamin'izany. 29Kanefa hoy ianareo Israelita hoe: ‹Tsy marina ny fitòndran'ny Tompo.› Tsy ny fitòndrako no tsy marina fa ny anareo! 30Noho izany, Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia hitsara anareo Israelita tsirairay avy araka ny fitondrantenany; teny hentitra avy amiko izany. Koa ovay ny toe-dratsy, ialao ny hadisoana rehetra fanaonareo, dia tsy hisy intsony zavatra hitarika anareo amin'ny heloka. 31Esory ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita? 32Fa tsy sitrako ny hahafaty ny olona. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Ovay ny toe-dratsy, dia ho velona ianareo.›

Miantoka ny fahavelomana ny tsy fisian-keloka na fahotana koa taomin'ny Tompo amin'ny alalan'ny mpaminany isika mba hiala amin'ny ratsy rehetra amin'ny fìbebahana (and.27). Mitady olona manaiky hibebaka amin'ny fahadisoana ny Tompo ary mamerimberina fa tsy sitrany ny hahafatesan'ny ratsy fanahy fa nyhialany amin'ny làlany ratsy mba ho velona Izy.

1- Manatona ny Tompo amin'nv fo mino
Na inona endrikv nv fahadisoana sy nv fahotana metv mangeja sy mamatotra dia tsarovy fa mitady olona hodiovina sy hosasana ary hovonjena ny Tompo. Efa nataony mihitsy ny famonjena na mbola mpanota aza ny olona. Koa aoka isika hanatona ny Tompo amin'ny fo mino fa mamela heloka izay rehetra tonga miaiky ny fahotany Izy. Mitady fihavanana amin'ny olona Andriamanitra ka tsy mamela azv ho faty sy ho very. Manatona mba handray nv famonjenv isika.

2- Mivavaha ka aza avela handalo ny Tenv
Isakv ny mandray ny Teny vakina na henoina isika dia tokony hisy dingam-piainana vaovao indray hatao. Koa aza havela handalo fotsiny ny Tenin'ny Tompo fa izany no efa nanolorany ny Tenany. Ilay Teny tonga nofo ho sorona teo amin'ny hazo fijaliana mba hisolo voina antsika. Vitany ny famonjena antsika ary resiny ny fahafatesana. Noho izany miantso antsika mba hiala amin'ny fahotana sy ny faharatsiana ny fornpo ka handray ny famelan-keloka sy ny fiainana omeny izay mino sy mankato ny Teny.

Fanontaniana :
Efa misy dingana hitanao nanova ny fiainanao ve nentin'ny Tenin'Andriamanitra?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12