samedi 10 mars 2018

Sabotsy 10 Martsa 2017 - Jer 4 : 1 - 2

1Raha hiverina ianao, ry Israely,
hoy ny teny hentitry ny TOMPO,
dia mahazo miverina amiko.
Raha esorinao tsy ho hitan'ny masoko
ireo sampinao maharikoriko,
dia tsy hirenireny intsony ianao.
2Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina
no hanaovanao fianianana hoe:
«Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...»,
dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko
sady hanao Ahy ho reharehany.

Nanamarika ny fiainan'nv Zanak'Isiraely fony izy ireo tany an'efitra ny tsy fahatokiana tanteraka an' Andriamanitra Tompo. Nandefasana menarana hanaikitra azy ireo vao nitalaho fanavotana sy vonjy tamin' Andriamanitra. Nomena azy ireo tamin'izay ny menarana afo ka izay' mijery izany no Velona. Zava-dehibe izany ny ftnoana sy ny fahatokiana an' Andriamanitra Tompo fa :

1- Mahatonga antsika ho mpandresv
Na maro aza ny zava-tsarotra isedran'ny Tompo ny fiainan'ny mpino dia mampifikitra azy amin'nv finoana sy ny fahatokiana ireny. Araka ny tenin'ny Mpanao Salamo hoe: « Soa ihany aho nampahoriana mba hianarako ny didinao » (119,71). Eto dia anarin'ny Tompo isika hiverina Aminy ka handresv nv fahafatesana noho nv fahotana fa Izv no hamoaka antsika amin'ny fitahiana. Ny miverina Aminy ihany no mandray ao anatinv ny fahamarinana. Aza ela isika. manapaha hevitra hiverina Aminy.

2- Mahatanteraka ny teny fikasany
Nolazain'i Jesoa Kristy tokoa nv fahasambarana ho an'ny mpino rehefa nitorv tenv tany antendrombohitra Izv. Tonga reharehantsika ny manana Azy ho Tompo sv Mpamonjy antsika rehefa nandray Azv isika. Tanteraka izany izao tenin'ny mpaminany izao tao amin'i Jesoa Kristy Tompo. Koa aoka isika hifikitra amin'ny finoana sv ny fahatokiana Azy. Miverena amin'ny fìnoana an'i Jesoa Kristy dia hesoriny ao amin'ny fotaky ny fahotana. Hisy loza hanjo izay tsy miverina arv tsv mibebaka (Jer.4.3smn).

Fanontaniana :
Inona no manakana anao tsy hiverina amin'ny Tompo Jesoa ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12