vendredi 2 mars 2018

Zoma 02 Martsa 2018 - Eze 14 : 6 - 11

6Noho izany, ambarao amin'ny Israelita fa iza no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ialao ny toe-dratsy, ilaozy ny sampinareo sy ny fomba rehetra maharikoriko fanaonareo.›

7«Raha misy Israelita na vahiny monina ao Israely14.7 Ny vahiny nonina tao Israely dia voatery hanaraka ny zavatra notakina amin'ny olom-pirenena israelita ary arovan'ny lalàna mitovy raha ohatra izy ka voafora*; jereo Lev 19.33-34. miala amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin'ny heloka no apetrany eo anoloany, nefa avy eo izy tonga hila hevitra amin'ny mpaminany mba hahalala ny sitrapoko, dia Izaho TOMPO mihitsy no hamaly izany olona izany. 8Hifanandrina aminy Aho ka hataoko tonga oha-pitenenana izy ary hoesoriko tsy ho eo amin'ny vahoakako. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.

9«Raha misy mpaminany voataona hamaly araka ny tenany ihany, dia Izaho TOMPO no efa nampanao azy izany; ary hanamparako ny heriko izy ka hoesoriko tsy ho eo amin'i Israely vahoakako. 10Na ny mpaminany na ny olona izay manontany azy dia samy hivesatra heloka mitovy ka samy hilanja ny vokany. 11Amin'izay dia tsy hiala amiko intsony ny Israelita sady tsy handoto ny tenany amin'ny heloka rehetra fanaony intsony; dia ho vahoakako izy ary Izaho ho Andriamaniny. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.

Manavaka ny mpaminany marina sy sandoka ny Tompo ary manome fitarihana antsika fa Andriamanitra  tokony ho henoina sy handraisana fanoloran-tsaina. Tsy manafina ny marina tokony hambara ny mpamimmy marina ary tsy manena izay hanirahana azy na zavatra tsy mahafaly ny olona aza izany indraindray

1- Mandefa teny fanarenana ny Tompo
« Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo » (and.6). Ho antsika koa izany teny izany mba tsy hanomezana anjara toerana ao ampo ny fanompoana andriamani-kafa toy ny fametrahana fitokisana amin'ny vintana, ny kisendrasendra. nv finoanoampoana. sns .. Jesoa Kristy dia te hanjaka ao ampon'izay mino Azy raha niteny ny hoe : « ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo » (Lio. 17.21). Aoka handrav ny tenin'ny Tompo isika ary hanaiky hibebaka sy hanary ny sampin'ny fontsika tsirairay.

2- Manaisotra ny faharatsiana ny Tompo
« fa ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny » (and. 11) Ho esorin'ny Tompo tsy hifangaro amin'nv olony ny mpaminany sandoka mba hiavahan'ny olony ka ahatonga azy ireo tsy hiala amin'Andriamanitra. Taratry ny fanjakan'Andriamanitra tsv misy fitaka nv fiverenan'ny fifandraisana eo amin'ny olona sy Izv Tompo. Tsy mba sitraky ny Tompo tokoa ny hisian'izay ho very saingv ireo tsy miverina amin'Andriamanitra dia hitondra ny heloky ny tenany . Aoka isika hino ny famonjeny sy hifíkitra Aminy.

Fanotaniana :
Mahatsiaro manana Andriamanitra tokana hivavahana ve isika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12