vendredi 9 mars 2018

Zoma 09 Martsa 2018 - Asa 3 : 17 - 21

17Fantatro kosa, ry havako, fa tsy fahalalana no nahatonga anareo hanao izay nataonareo tamin'i Jesoa ary toraka izany koa ny manampahefana teo aminareo. 18Notanterahin'Andriamanitra tamin'izany anefa izay voalazany tamin'ny alalan'ny mpaminany rehetra fahiny hoe: tsy maintsy hijaly ilay Mesiany3.18 Ampit Lk 24.26-27.. 19Noho izany, ialao ny toe-dratsy3.19 ialao ny toe-dratsy: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA., ary miverena amin'Andriamanitra mba ho foana ny helokareo; 20dia ho tonga aminareo ny vaninandro famelombelomana avy amin'ny Tompo ary hirahiny ho anareo ilay Mesia efa voatendriny, dia i Jesoa. 21Kanefa tsy maintsy horaisin'ny lanitra aloha Izy mandra-piavin'ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao3.21 hanavaozana izao rehetra izao: jereo 2Pt 3.13; Apôk 21.1-15., araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany masina hatramin'ny fahagola.

Lehilahy nalemy tongotra hatrany ankibon-dreniny no tafatsangana noho ny finoana ny anaran'i Jesoa Kristy (and. 16) ary nahagaga ny olona rehetra nv nahita azy. Fa tarihin'ny Tompo ny fijerintsíka ka :

1- Ampiany isika handini-tena
Ny finoana ananantsika dia tsy maintsv hita miharihary amin'ny fiainana andavan'andro. Ny olona talanjona tamin'nv fahasitranan'ilay nalemy teo aloha inv dia nihazona an'i Petera sy Jaona (and.l 1) satria tsy ampv ny finoany an'i Jesoa Kristy na dia tonga tao amin'ny Tempoly aza ireo. Mampandinin-tena antsika izany fandrao lasa fahazarana nv miditra ny trano fíangonana ka tsy miandrandra zava-baovao avy amin'nv Tompo. Aoreno mafy ny finoana fa Anarana Mahavonjy ny Anaran'i Jesoa Kristy Tompo. Minoa Azy dia ahita ny voninahiny !

2- Asainy mibebaka isika
Izay mahatsiaro tena ho malemy no mitady mpampahery, ary izay mahatsapa ny fahotany no mandroso mibebaka. Làlam-piainana miaraka amin'ny Tompo izanv araka ny hamerenan' ny Apostoly eo amin'ny olona ny famonjena nataon'i Jesoa Kristy teto antany. Tarihiny hibebaka isika mba hamonoanv ny fahotantsika rehetra ka hananantsika fifaliana sy fiadanana. Ny Tompontsika no mitady fihavanana amintsika izay tafasaraka noho ny heloka sv ny fahadisoantsika. Fiombonam-piainana ety antany ka hatrany an-danitra no kendren'ny Tompo Jesoa ho antsika !

Fanontaniana:
Inona no atao rehefa manao fanomanam-panahy ao ampiangonana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12