dimanche 11 mars 2018

Alahady 11 Martsa 2018 - Lio 15 : 25 - 32

25Sendra tany an-tsaha ilay zanany lahimatoa tamin'izay. Nony efa nody izy ka nanakaiky ny trano, dia nandre feon-java-maneno sy olona mandihy. 26Nantsoiny ny mpiasa anankiray ka nanontaniany ny anton'izany. 27Dia novalian'ilay mpiasa hoe: «Tonga ao ny rahalahinao ka nasain-drainao novonoina ilay zanak'omby nafahy satria tafaverina soa aman-tsara eto aminy ny zanany lahy!» 28Tezitra mafy ny lahimatoa sady tsy nety niditra an-trano. Ka ny rainy mihitsy no lasa tany alatrano hiangavy azy handroso. 29Fa hoy izy tamin-drainy: «Jereo ange! Taona firifiry moa izay no nanompoako anao ary tsy mbola nandika ny didinao na oviana na oviana aho; kanefa dia nofy izany hoe mba nomenao zanak'osy iray hiarahako mihinana sy mifaly amin'ny sakaizako. 30Fa nony tonga kosa io zanakao io, izay nahafongana ny fanananao tamin'ny vehivavy mpivarotena, dia amonoanao ny zanak'omby nafahy.» 31Ary hoy ny rainy taminy: «Ianao anie, anaka, dia eto amiko mandrakariva ary anao avokoa izay rehetra ahy. 32Fa tsy maintsy atao ny fihinanam-be aman-korana, satria io rahalahinao io: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray.»

« Fa metv nv mifaly sv miravoravo, fa ity rahalahinao ity efa maty. fa velona indray. ary efa very, fa liita indray » (and.32). Izany teny izany koa no maneho ny tenin'ny Tompo amin'izay tonga amin'nv f'ifonana sy ny fiaikcn- keloka eo anatrehany.

1- Ifaliana satria « efa matv, fa velona indray »
Fanoharana nataon" i .lesoa mba hanazavany ny antonv nanatonan'nv mpamory hetra sy ny mpanota hihaino Azy ka nampimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora- dalàna no hita eto. Aoka hifaly ny fiangonana rehefa misv olona miverina miangona indray na dia efa fotoana ela aza tsv nahalongavany. Fa avy amin'Andriamanitra ny mitaona olona hanatona Azy. hoy i Jesoa arv Izy no mahay manangana ny maty sy nanome azv fiainana. Mety ny manatona ny Tompo na inona na inona endri-pahotana. Mifaly ny any andanitra noho nv mpanota mibebaka. Manatona hosasany !

2- Ifaliana satria « efa verv, fa hita indrav »
Jesoa Krsitv dia tonga hitady sy hamonjv ny very : tsy misy foiny ho very ny olonv sy ondry fiandriny. izany no nidinany tety antany. Ny olona anefa no mivily sy maniasia amin'nv ratsy. koa izany no namelaranv nv Teniny hitaona azv hiaiky fahotana sv hibebaka eo anatrehanv. Mahafaly ny Tompo ny mahita antsika indray manompo Azy. Miandry antsika ho tia sy hankatoa ny Teniny Izy. Manafy antsika fitafiana vaovao Izy sady mampisakafo tsara raha miverina eo Aminv isika. Aza variana any ivelan'ny vala sao ho very !

Fanontaniana
Mandre ny antson'ny Tompo ve ianao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12