lundi 5 mars 2018

Alatsinainy 05 Martsa 2018 - II Pet 3 : 8 - 10

8Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin'ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro3.8 Ampit Sal 90.4.. 9Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenàny: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra. 10Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo; ary amin'izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy.

Mampirisika antsika hifona sv hibebaka ny Tompo amin'ny alalan'ny Soratra Masina. Ny apostoly dia nampahery ny fiangonana mba tsy hisalasala satria fohy ihany ny fotoana ho antsika mitaha amin'ny fotoan'nv Tompo.

1- Aza mangataka andro ela raha hibebaka
Voafetra isika ka na ny andro ahavelomantsika aza dia eo an-tànan' Ilay Tompo sady Mpamonjy. Ny heloka rehetra, ny fahadisoana samihafa dia tian'ny Tompo tsy ahavoa antsika. Koa mandrosoa eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fanoloran-tena hosasany sy hodioviny indray. Ny Tompo no miantso ny olona hibebaka ka hiala amin'nv ratsv fanao. Aoka hanatona ny Tompo amin'ny fo mino isika rehefa mivavaka Aminy.

2- Aza miherikerika intsony fa jereo Jesoa
Manan-kery hanafaka antsika ny rà nalatsaky ny Tompo teo amin'ny hazo fijaliana. Tiany ho madio sy masina isika ka tsy hisy ho maty na ho verv. Izv no mitantana sy mitondra antsika ka aoka isika hankatoa ny Teniny. Mijery Azy isika raha manaraka izay lazainy, mijery Azy isika raha manaiky ny toro-marika omeny hananantsika fiainam-baovao ao Aminy. Tsy tokonv hitady famonjena hafa intsony satria Jesoa Kristy ihany no Mpamonjy izao tontolo izao. Misokatra ho an'izav mibebaka ìhany nv làlam-pamonjena.

Fanontaniana :
Efa manana fiainam-baovao ve ianao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12