mercredi 7 mars 2018

Alarobia 07 Martsa 2018 - Hos 14 : 2 - 4

2Ry Israelita ô, mba miverena
amin'ny TOMPO Andriamanitrareo,
fa ny helokareo no nahalavo anareo.
3Miverena amin'ny TOMPO
ka milazà aminy hoe:
«Avelao avokoa ny helokay;
ary ho solon'ny vantotr'ombilahy fanolotray
dia raiso tsara ireto teninay ireto:
4Tsy i Asiria no hahavonjy anay,
tsy hitaingin-tsoavaly izahay;
ary tsy amin'ny sampy asan-tananay intsony
no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›;
fa Ianao no mamindrafo amin'ny kamboty.»

Rehefa mibebaka ny olona dia mamindra fo Andriamanitra. Mampiseho izany fa Andriamanitra no ahitan'ny mino famindrampo. Koa ny fiverenana Aminy no antso avo ataon'ny mpaminany

1- Miverina mba ho voavotra
Metv hifarana amin'nv fahaverezana sy ny fahafatesana ny làlan'izay nahafoy sy tafasaraka amin'Andriamanitra noho ny tsy nihainoana nv Teniny sy tsy mba nitandremana nv didiny. « Lavon-keloka » no hilazan'nv Soratra Masina ireo tsy mankato ka mitoetra ao anaty fahotana ihanv. Maty fahavelonv izy. izany hoe, mihevi- tena ho tafíta na tsy mino sy tsy mivavaka aza kanefa fiainana manalavitra Ilay Tompon'ny aina izanv. Jesoa Kristy no efa maty hamelona antsika koa mibebaha eo anatrehany mba hamindrana antsika hiala amin'ny maizina ho amin'nv fahazavana.

2- Miverena mba handray fainindrampo
Ambara koa hoe : tena fitiavana ny famindrampo satria fialàna na famindrana toerana olona irav avv amin'nv maizina ho amin'ny fahazavana mahagaga no hataon'ny Tompo amin'izay namindrany fo. Jesoa Kristy dia naneho endrika famindrampo maro fony izy tety antany. Tao ny nesorina tamin'nv fahajambana, nampianarina mba ahalala ny herin'Andriamanitra sy ny fitiavana. nositranina tamin'nv aretina maro samy hafa. Fitiavana tsy nijereny ny ditra sy ny adalan'ny olona ny famindrampo. Koa mitaona antsika hiverina hiara-dàlana amin'ny Tompo isan'andro. handeha araka ny Fanahy.

Fanontaniana :
Iza no harahinao sy henoinao teny ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12