mardi 6 mars 2018

Talata 06 Martsa 2018 - Mar 1 : 1 - 8

1Manomboka eto ny Vaovao Mahafaly momba an'i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra1.1 Misy stf tsy ahitana ny teny hoe Zanak'Andriamanitra.

2Izao no voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny bokin'i Isaià mpaminany:

«Indro alefako hialoha Anao ny irako,
hoy Andriamanitra,
mba hanomana ny lalanao1.2 ao amin'ny... mpaminany: misy stf sasany ahitana hoe ao amin'ny bokin'ny mpaminany. –Mal 3.1..»
3«Injany misy feon'olona miantso mafy
ao an-taniefitra hoe:
Amboary ny lalan'ny Tompo;
ahitsio ny hizorany1.3 Is 40.3, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.!»

4Araka izany, dia niseho i Jôhany ka nanao batisa tany an-taniefitra sy nanao antso avo hoe:
–Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan'Andriamanitra ny helokareo1.4 niseho i Jôhany... antso avo: misy stf sasany ahitana hoe niseho tany an-taniefitra i Jôhany ka nanao batisa sy nanao antso avo na koa niseho tany an-taniefitra i Jôhany Mpanao batisa ka nanao antso avo. –Ialao ny toe-dratsy: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA..

5Nirohotra nankeo amin'i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon'i Jôhany batisa tao amin'ny ony Jôrdàna.

6Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan'i Jôhany1.6 Jereo 2 Mp 1.8.; valala sy tantely remby no fihinany.

7Ary hoy ny antso avo nataony:
–Tamy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehikapany akory aho. 8Ny ahy, rano no nanaovako batisa anareo; ny Azy kosa, ny Fanahy Masina no hanaovany batisa anareo.

Manatanteraka izay voalazan'ny mpaminany ny Tompo Jesoa. Jaona mpanao batisa no nialoha Azy mba hitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan- keloka. Mitarika antsika hanaraka Azy Izy araka ny hita eto.

1- Manàna finoana niarahana amin'ny Tompo
Asainy manamboatra ny làlana izav diavintsika isika. Ny anjarantsika dia ny mandray fanapahan-kevitra ho tia sy hanompo Azy. Mahalala ny sitrapon' Andriamanitra, izay efa zatra mandroso amin'ny finoana. Manahaka ireo mpanompo nanara-dia ny Tompo isika rehefa manaiky hiara-miasa Aminy. Jesoa Kristy no mamdray antsika sy izay entintsika hanatona Azy. Aoka isika hànana finoana mba hiaraha-raandeha Aminy.

2- Maneke ny herin'nv Tompo manafaka
Tsy ny rano amin'ny batisa no tokony hatao ho zava- dehibe fa ny herin'Andriamanitra handraisany antsika ho zanany. Mitafy an'i Kristy ny fiangonana nanomboka tamin'ny Batisa ka afaka mitahiry izany mba hamirapiratan'ny Tavan'ny Tompo amin ny endriky ny mino. Resy lahatra no ilazana ny olona manaiky ny herin'ny Tompo manafaka. Fa Izy no niteny hoe « raha ny zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » (Jao.8, 36).

Fanontaniaini:
Manana finoana hanekena ny herin'ny Batisa ve ianao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12