jeudi 8 mars 2018

Alakamisy 08 Martsa 2018 - Job 42 : 1 - 6

1Namaly ny Tompo i Jôba ka nanao hoe:

2Fantatro fa mahay ny zava-drehetra Ianao,
ary tsy misy maharara izay tianao hatao.
3Hoy Ianao tamiko: «Zovy moa ianao
no sahy manivaiva ny fikasàko
amin'ireo teny foana tsisy dikany42.3 Jereo 38.2.?»
Eny, zava-tsy takatry ny saiko no voateniko
dia zava-mahagaga loatra amiko sady tsy fantatro!
4«Henoy, hoy Ianao, fa mbola hiteny Aho;
hanontany anao Aho ka hovalianao42.4 Jereo 38.3..»
5Tsy nahafantatra ny aminao aho
afa-tsy izay henoko momba Anao ihany.
Kanefa ankehitriny izao kosa
dia ny masoko no nahita Anao.
6Izany no anatsoahako izay voambarako,
sy iekeko hadisoana ary ietreko tena
eto amin'ny vovoka sy ny lavenona.

Joba tafíditra amin'ny faratampon'ny faharesen-dahatra tanteraka ka milaza hoe : « Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fìsainanao » (and.2)

1- Manandratra nv Tompo nv mino
Mahatsapa ny fahalehibeazan'Andriamanitra tokoa i Joba noho ireo toe-javatra nihatra tamin'ny fiainany. Miseho eto fa ny fihevitry ny Tompo dia tsy takatry ny saintsika olombelona loatra, ary mety mifanohitra amin'ny fisainantsika mihitsy aza izany. Alaim-panahy ny olona indraindray hanery ny heviny ho toy ny sitrapon'ny Tompo saingy noho ny famindrampon' ny Tompo dia manafaka ao anatin'ny fahadisoan-kevitra hatrany Izy. Izy no anton'ny zavatra rehetra satria mifehy ny tantarantsika Izy.
« Fandrenesan 'ny sofma ihany ne nandrenesako Anao ; Fa ankehitriny izao kosa dia nv masoleo no mahita Anao... » (and.5)

2 - Manatrika nv Tompo nv mino
Mifanatrika amin'Andriamanitra isika raha mivavaka ary mahita ny fahalementsika eo anoloan'ny fanasoavany sy ny voninahiny. Tahaka izany i Joba eto, izay miaiky fa tsy misy azo ampitahaina amin'ny Tompo akory fa tena Andriamanitra lehibe Izy sady mitondra ny fiainantsika ao Aminy. Koa ny fifonana sy ny fibebahana no mendrika hatao eo anatrehany satria tsy nandeha araka ny sitrapony isika na efa nandre ny teniny aza. Aza hatao zavatra kely ary ny fanatonana sy ny fanatrehana ny Tompo.

Fanontaniana :
Mandresy lahatra anao ve ny Teny eto ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12