samedi 3 mars 2018

Sabotsy 03 Martsa 2018 - Dan 9 : 15 - 19

15«Ary ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Ianao efa nitondra ny vahoakanao niala tany Ejipta tamim-pahefàna mahery, sady nanao ny anaranao ho malaza tahaka ny amin'izao anio izao; izahay kosa efa nanota sady nanao heloka. 16Tompo ô, araka ny asa soa rehetra vitanao dia aoka re mba hisinda ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao sady tendrombohitrao masina. Noho ny fahotanay sy ny heloky ny razanay, dia miteny ratsy an'i Jerosalema sy ny vahoakanao ireo firenena manodidina rehetra. 17Ary ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka amam-pifonako; ka jereo amin-katsarampo ny Toeramasinao efa simba, satria Ianao no Tompo. 18Ry Andriamanitro ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa, ary ahirato ny masonao ka jereo ny faharavàn'ity tanànanay, dia ilay tanàna izay niantsoana ny anaranao hitahiana azy; fa tsy noho ny asa soa vitanay no anaovanay fifonana eto anatrehanao fa noho ny halehiben'ny famindramponao. 19Tompo ô, mihainoa; Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mandrenesa ka miasà; noho ny aminao aza ela Ianao, ry Andriamanitro ô, satria ny tanànanao sy ny vahoakanao dia efa niantsoina ny anaranao hitahianao azy.»

Tsy nv olona rehetra no nianaiky hanetry tena sy hifona amin'Andriamanitra tahaka izao nataon'i Daniela izao. Malaky manamarin-tena ny olona ka tsy mihaino ny tenin'ny mpanompon'Andriamanitra izay mitondra hafatra ho azy. Mihatra amin'ny vahoaka rehetra ny vokatry ny tsy firosoana mba hanatona amin'ny fanetren-tena.

1- Aoka ho marina ny fibebahana
Vavaka sy fifonana amin'ny fifadian-kanina sy ny lamba fisaonana ary ny lavenona (and.3) no ataon' i I Daniela. Mahatsiaro ho tompon'andraikitra amin'ny heloka sy fahotan'ny firenena izy. Manao fìtarainana noho ireo fahadisoana rehetra (and. 5-14) fa izany no fibebahana marina. Mitady ny tavan'nv Tompo mba ho vita fíhavanana Aminy indray (and.15-16). Miverina mahatsiaro fa Izy no Mpamoniy fa tsy misy hafa.

2- Aoka hatoky ny famindrampon'ny Tompo
Miseho eto ny fanehoana ny finoana ka tanisainy fa mihaino ny Tompo. mijery ny Tompo arv mamela heloka ny Tompo (and. 17-19). Izay mivavaka àry dia olona feno fahatokiana Ilay hivavahana ary mahazo antoka sahady fa ny Tompo Andriamanitra no mpamela heloka. Manatona mitady famindrampo isika raha mivavaka toy izany ka matokia. Izao fìtarainana izao dia tsy noho nv fitadiavana fainonjena fa ny fanandratana fa Andriamanitra tompon' ny hery sy ny fahefana tokoa ilay Jesoa Kristy Mpamonjy antsika arv azo hatonina amin'ny fo mibebaka sadv matoky ny Tompo Mpamindra fo sy Mpamela heloka.

Fanontaniana :
Inona no vavaka fifonana sy fibebahana efa nataonao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12