dimanche 21 octobre 2018

Alahady 21 Oktobra 2018 - I Tim 6 : 17 - 19

17Anaro ireo mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin'ny harena tsy mateza, fa amin'Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika. 18Anaro ireo mpanankarena mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, mba halala-tanana ary mba ho vonona hifampizara amin'ny hafa; 19dia hamory raki-tsoa ho an'ny tenany izy hanorenany tsara ny ho avy, ka hahazoany ny tena fiainana.

Ny fananan-karena amin'ny asa tsara

1 - Mahatonga fahatokiana feno an'Andriamanitra

Maro mpanan-karena tao amin'ny fiangonana tany Efesosy ka saika nanahirana ny fìtondrany ny hareny tsy noho ny asan'Andriamanitra fa noho ny fitadiavany voninahitra sy nentiny hireharehana. Nomen'i Paoly an'i Timoty izao tari-dàlana izao mba hananarana azy ireo mba hatoky ny Tompo satria Izy no nanome ny harena sy ny fananana. Koa izay manolo-tena dia efa manolotra ny momba azy koa hanompoany an'Andriamanitra.

2 - Miseho amin'ny fanampiana ny hafa tsy misy tamby

Manahaka an'Andriamanitra ny zanany rehetra. Be fitiavana Izy ka ny sarobidy indrindra teo Aminy, dia ny Zanany lahy tokana, no nomeny hamonjy izao tontolo izao. Tarihiny isika hazoto hanome sy hiantra ny mahantra ary hanao soa amin'ny olona rehetra ka tsy hitady tambiny fa izany no tena fiainana nomen'ny Tompo. Fitiavana mizara izay ananana mba ho vavolombelon'i Jesoa Kristy nanolotra ny ainy mihitsy mba hisoloana antsika teo amin'ny hazofijaliana. Koa na inona na inona fari-piainantsika, aoka haseho fa ny Tompo no mifehy ny fananantsika rehetra amin'ny fanarahana ny teniny.

Fanontaniana :
Efa natolotrao ny Tompo ve ny momba anao rehetra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12