samedi 20 octobre 2018

Sabotsy 20 Oktobra 2018 - Mar 7 : 5 - 8

5Dia nanontany an'i Jesoa ny Farisianina sy ny mpahay lalàna nanao hoe:
–Nahoana ireto mpianatrao no tsy manaraka ny fanao nampitain'ny razantsika, fa tanana maloto izao no ihinanany hanina?

6Fa hoy i Jesoa taminy:
–Marina tokoa ny naminanian'i Isaià anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe:

7«Ity vahoaka ity, hoy Andriamanitra,
tendro-molotra no anajany Ahy
fa ny fony kosa lavitra Ahy mihitsy;
ka poaka àty ny fivavahana ataony amiko,
satria didin'olombelona no ambarany
ho fampianarako.»

8Ny didin'Andriamanitra avelanareo, fa ny fomba amam-panao nampitain'olombelona kosa tananareo.

Ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra

1- Manaiky ny fampianaran'ny Tompo amin'ny fo mino

Manana ny Tenin'Andriamanitra maharesy lahatra azy ny mino ho porofon'ny fankatoavany an'Andriamanitra. Manao fanekena sy mijoro vavolombelona izy fa tsy rnihatsara ivelatsihy tahaka ireto Fariseo sy mpanora-dalàna ireto. Jesoa Kristy dia mampianatra antsika hanome lanja ny Tenin'Andriamanitra mihoatra ny tenin'olombelona. Aoka isika hanaraka marina izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra. Meteza tarihin'ny Tompo amin'ny fampianarany ary ny fiainantsika avelao hanjakany tokoa.

2- Mifikitra amin'ny fahatokiana nv Tompo

Tsy azo lazaina ho matoky ny Tompo ny olona mbola mitàna ny fanaon-drazana. Maro karazana ny endrika isehoan'izany, toy ny hita eto ohatra. Misy tokoa ny kristiana mbola manaja sy manome toerana ambony ny fomban-drazana. Mampalahelo sy mahatezitra ny Tompo izany araka izao teny izao. Koa tokony hifikitra amin'ny fahatokiana ny Tompo isika ary handeha amin'ny fankatoavana marina ny Tenin'Andriamanitra. Manitsy ny fanao mampivily ny finoana ny Soratra Masina.

Fanontanìana :
Inona ny fanaon-drazana mbola hifikiran'nykristiana malagasy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12