mardi 16 octobre 2018

Talata 16 Oktobra 2018 - Jos 24 : 11 - 15

11Dia niampita an'i Jôrdàna ianareo ka tonga tao Jerikao; ary niady taminareo ny mponina tao Jerikao, toy izany koa ny Amôrita sy Perizita, ny Kanahanita sy Hetita, ny Girgasita sy Hivita ary Jebosita nefa samy natolotro tao an-tananareo ireny. 12Ary nandefasako takola-panenitra teo alohanareo ka ireny no nampandositra ireo mpanjaka amôrita anankiroa teo anoloanareo, fa tsy ny sabatrareo na ny tsipîkanareo velively. 13Nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo, nomeko tanàna izay tsy naorinareo nefa onenanareo, nomeko tanim-boaloboka sy tanin'ôliva izay tsy nambolenareo nefa ihinananareo ny voany.»

14Dia hoy ihany i Josoa hoe:
–Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO. 15Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.

1- Mitondra nv fiainan'ny olony ny Tompo

Ny famonjena olona nataon'Andriamanitra dia nataony nohon'ny fitiavany azy. Tsy misy olona afaka miteny ho nahavonjy tena araka izany fa Jesoa Krisly no nomeny ho Mpamonjy izao tontolo izao. Eto Josoa dia mitanisa amin'ny olona ny làlana nitondran'Andriamanitra ny Israelita nanomboka tamin'i Abrahama ka hatramin'ny nanomezany ny taranany ny tany Kanàna. « Ary nomeko tany ìzay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka nonina tao ianareo, ary nihinana ny avy amin 'ny tanimboaloboka sy ny tanin 'oliva iray tsy nataonareo ianareo » (and. 13). Toy izanv hatrany ny fitondran'Andriamanitra ny olom-boafidiny. Tsy sarahin' ny Tompo amin'ny olony ny fanomezana tany onenana.


2- Mitady antsika hifidy Azy ny Tompo
Maro ny andriamanitra azon'ny olona hanaovana safidy indrindra teo amin'ny Israelita. Nitarika ny olona ahay mifidy izay hotompoiny i Josoa eto. «fa raha izaho sv ny ankohonako kosa, dia hanompo an 'i Jehovah izahay » (and. 15b). Nataon'Andriamanitra miseho tao amin'ny fìainan' ny mpanompony ny finoana tao anatiny ka sahiny lazaina sy hampaherezany ny hafa. Mitady antsika hifidy Azy ny Tompo fa Izy no Mpamonjy efa nanolotra ny tenany ka mba tokony hanolotra ny tenantsika koa isika. Misy fahasahiana toy izany ny fiainan'ny mpanompo mahatoky rehetra.

Fanontaniana
Firy taona izao ny nanapahanao hevitra hifidy an'i Jesoa ho "Tompo sy Mpamonjinao ? Tsapanao ve ny fitondrany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12