mardi 9 octobre 2018

Talata 09 Oktobra 2018 - Zak 8 : 14 - 17

14Izao manko no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao:
«Tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy,
dia nihevitra hahatonga loza aminareo
Izaho TOMPOn'izao rehetra izao
ka tsy nisalasala nanatanteraka izany.
15Fa ankehitriny kosa dia mihevitra ny hanisy soa
hanisy soa anareo Aho,
mponin'i Jerosalema sy i Joda;
koa aza matahotra intsony ianareo.
16Izao no tsy maintsy hataonareo:
samia milaza ny marina
amin'ny namany avy ianareo;
aoka ho didim-pitsarana ara-drariny
no havoaka eo amin'ny toeram-pitsaranareo
mba hahatonga fiadanana eo aminareo.
17Aza mieritreritra hanisy ratsy ny namana
ary aza mety hianiana lainga,
fa halako ny zavatra rehetra toy ireny.
Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.»

Andriamanitra manarina ny fiainan'ny olony

1- Andriamanitra mampanantena fitahiana

Miova tanteraka eto ny Tenin'Andriamanitra ambarany amin'ny olony. Hoy ny voalaza : «toy ny nisainako», nisy fotoana naminavina, nanomana loza namelezana ny vahoakany Andriamanitra. Tena nihatra tokoa izany. Tanterahin'Andriamanitra ny Teniny. Ankehitriny dia indro Izy manomana fanarenana ny fiainan'ny olona ka na dia teo aza ny fahatezerany fahiny mihevitra kosa ny hanasoa, hanalotra fítahiana ho an'ny olony Izy: «hisainako hanisy soa an 'i Jerosalema». Fanarenana miavaka no tanterahin'Andriamanitra araka izany. Ny anjaran'ny olona dia ny mino sy mandray izany fa izay tenenin'Andriamanitra dia tanterahiny noho ny fitiavany.

2- Andriamanitra mitaona ny olona hifankatia

Tsy mandeha ila ny fanarenana ataon'Andriamanitra. Mitaona ny olona ho amin'ny fandraisana andraikitra Izy. Manaramaso ny fiainan'ny olona Izy, takiany amin'izany ny hiveloman'ny olona amin'ny Teniny dia ny hiaina amin' ny fifankatiavana izany: «samia miteny ny marina amin 'ny namany avy...» (and.16.17). Rehefa hampitoerina eo amin'ny fiaraha-monina misy ny mpino kristiana ny fahamarinana, ny fifankatiavana dia hiova ny fiainana, tanteraka ny fanarenana kasain' Andriamanitra atao. Rariny sy hitsiny eo anatrehan' Andriamanitra tokoa raha ny olona notiaviny no maneho fitiavana Azy amin'ny fankatoavana ny Teniny ka manao ny marina sy mitia ny mpiara-belona aminy.

Fanontaniana:
Tanisao ny dingana tsy maintsy arahina mba ahatanteraka ny fanasitranana ny firenena araka ny 2 Tant 7, 14

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12