samedi 27 octobre 2018

Sabotsy 27 Oktobra 2018 - I Pet 4 : 12 - 19

12Ry hava-malala, aza gaga amin'ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny. 14Sambatra ianareo raha haratsîna amin'ny maha mpianatr'i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo. 15Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin'ny raharahan'olona; 16fa raha amin'ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an'Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.

17Tonga ny fotoanandro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra? 18Fa hoy ny Soratra Masina:

«Raha saika tsy voavonjy ny marina,
inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota?»

19Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon'Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin'Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.

Ny fìaretan'ny mino

1- Mitondra fahasambarana ho azy

Efa nampihomana antsika ny Tompo fa tsy maintsy ho tonga ny fanenjehana ny krisliana kanefa nanisy làlana harahintsika ny Tompo, dia ny làlam-pahasambarana raha maharitra amin'ny Teniny isika. Mampahery antsika sady manome fiainam-baovao tokoa ny Tompo ho an'izay manolo-tena sy manao ho zava-dehibe ny fanompoany. Miady ny rariny tokony ho azy ny Tompo dia manome fahasambarana araka ny Matio 5. 11. Ny iharetan'ny mino ny fampahoriana noho ny maha kristiana no hahazoana izany fahasambarana izany.

2- Mametraka fahatokiana be ao anaty

Na manao ahoana ny toetr'andro, na manao ahoana ny toe- karena, na aiza na aiza ny toerana misy ny mino dia miorina sy mitoetra ny fahatokiany an'i Jesoa Kristy. satria manamasina an'i Kristy ho Tompo ao ampony izy. Manana fiainam-bavaka mitohy sady tsy manana fanahiana intsony noho ny teny fanomezan-toky ivelomany izy ka na tonga aza ny fizahan-toetra dia miaritra sy maharitra. Mametraka fahatokiana be ao anatiny ny finoana an'i Jesoa Kristy efa naharesy ny fahavalo farany. Izany no hijoroany ho mpanompo mahatoky ihany koa.

Fanontaniana :
Mahita ny rariny amin'ny fiaretana fahoriana ve isika ?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12