lundi 15 octobre 2018

Alatsinainy 15 Oktobra 2018 - I Jao 3 : 7 - 12

7Rey anaka, aza avela hisy hamitaka anareo; izay manao ny marina soritan'Andriamanitra ihany no marina tahaka an'i Jesoa Kristy koa. 8Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly dia mpanota hatrany am-boalohany. Ary ny anton'ny nisehoan'ilay Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.

9Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria ilay voa nafafin'Andriamanitra no mitoetra ao anatiny; ary tsy mahay manota izy satria naterak'Andriamanitra. 10Izany no mampiavaka miharihary ireo zanak'Andriamanitra amin'ireo olona andevozin'ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina soritany sy izay tsy tia ny namana iray finoana.

11Izao manko no hafatra efa renareo hatramin'ny voalohany: aoka isika hifankatia! 12Fa tsy hanao tahaka an'i Kaina izay avy amin'ilay Ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary inona no anton'ny namonoan'i Kaina azy? Dia satria ratsy ny asan'i Kaina, fa marina kosa ny an'ny rahalahiny.

Ny zanak' Andriamanitra

1- Tsy mahay manota

Ampahafantarina ny mpino kristiana fa zanak' Andriamanitra noho ny fitiavana nasehon'Andriamanitra tao amin'i .lesoa Kristy mamonjy izao tontolo izao. Jesoa Kristy no nandrava ny asan'ny devoly izay namatotra ny olona. Ny devoly izay nitarika ny hanota, hikomy amin'Andriamanitra ka mahatonga ny olona handainga sy ny hanao ny tsy fahamarinana. Jesoa Kristy no nanafaka ny olona tamin'ny fatoran'ny fahotana rehefa nandresy ny fahafatesana ka nitsangana tamin'ny maty. Rava ny asan' ny devoly. Nandresy ny Tompo ho fandresena ho an'ny mino Azy. Noho izany izay mandray ny famonjena mpandresy toa Azy ka tsy mahay manota intsony.

2- Mitia ny namana

Endriky ny fahotana nampidirin'i satana teto amin'izao tontolo izao ny fankahalahana, ny tsy fitiavana ny namana. Tafalatsaka tamin'izany i Kaina izay namono an'i Abela rahalahiny. Nampianatra ny mpianatra noho izany i Jesoa Kristy fa ny fiainana ny fitiavana, ny fifankatiavana no mampiavaka ny tena mpianany. Mazava tsara ny toromarika eto fa "tsy maintsy mifankatia" ny mpanaradia Azy. Ny fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana ilay fanehoam-pitiavana miavaka no mandrava ny fifandrafiana eo amin'ny zanak'olombelona. Manana adidy tsy maintsy mitia ny hafa noho izany ny mpino kristiana. Notiavin' Andriamanitra ianao ka mahaiza mitia ny hafa.

Fanontaniana :
Nahoana no mbola mahazo toerana eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina ny fifankahalana, ny ady lahy, ny fifandirana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12