mercredi 3 octobre 2018

Alarobia 03 Oktobra 2018 - Mat 23 : 23 - 26

23Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa voaloanareo ny ampahafolon'ny ana-madinika toy ny karaotimanitra sy ny solila ary ny kòmina; nefa navelanareo ny zavatra mavesa-danja kokoa ao amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny hitsimpo; ireto indrindra no tsy maintsy tontosaina, na tsy azo avela aza ireroa! 24Ry mpitari-dalana jamba, tantavaninareo ny moka amin'ny zava-pisotronareo, nefa ny rameva atelinareo.

25Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny vohon'ny kaopy sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno ireo vokatry ny halatrareo sy ny tsy fahalalanareo onona. 26Ianao, ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin'ny kaopy sy ny lovia, ary dia hanjary madio koa ny vohony.

Ny mpivavaka marina

Matio 23 dia maneho ny fampianarana nataon'i Jesoa Kristy miantso ny mpanaradia Azy mba tsy ho variana amin'ny fombafombam-pivavahana fotsiny.

1- Mifandray tsara amin'Andriamanitra sy ny hafa

Mananatra mafy ny mpanora-dalàna sy ny fariseo i Jesoa. Ireto sokajin'olona ireto dia fatra-panaraka antsipirihiny ny Lalàna. Miharihary teo imason'i Jesoa anefa fa fombafomba ivelany fotsiny ihany izany. Ny zava-dehibe indrindra tokony ho natao dia tsy nataony. Takian'i Jesoa mba hanana fitondrantena mendrika amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra izy ireo dia ny «finoana» Azy sy ny asany. Ary koa ny fifandraisana amin'ny mpiara-belona dia ny fandehanana araka ny rariny sy ny fanehoana ny famindrampo. Tsarovy ary fa ny tena mpivavaka marina dia tsara fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny namany.

2- Mandresy ny fihatsaram-belatsihy

Mafy tokoa ny fananarana ataon'i Jesoa amin'ireto mpanoradalana sy fariseo ireto : « mpihatsaravelatsihy ». Manadio ny ivelan'ireo fitaovana toy ny kapoaka, lovia izy ireo kanefa ny ao anatiny mbola misy loto. Ambaran'i Jesoa fa fisehoana ivelany, endrika ivelany izany. Miseho ho marina sy mahitsy, mandeha amin'ny fahamasinana izy ireo kanefa ny fiainam-panahiny tsy mifanaraka amin' izany. Tsy nankasitrahan'i Jesoa Kristy izany "toe-tsaina" izany ka mananatra ny mpanaradia Azy Izy. Tokony handresy ny fihatsarambelatsihy ny tena mpianatry ny Tompo miroso amin'ny fivavahana marina.

Fanontaniana :
Inona no tanjon'ny fananarana ataon'i Jesoa Kristy eto ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12