jeudi 25 octobre 2018

Alakamisy 25 Oktobra 2018 - Deo 24 : 5 - 7

5Rehefa misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handehandeha hiantafika izy ary tsy hampanaovina raharaham-bahoaka; fa havela izy hitoetra herintaona ao an-tranony ka hampifaly ny vady izay vao nampakariny.

6Aza misy maka ny vato roa fikoseham-bary na ny vatony ambony ho antoka, fa maka aina ho antoka izany.

7Rehefa misy Israelita hita mangalatra ny anankiray amin'ireo mpiray firenena aminy ka manandevo azy na mivarotra azy, dia hatao maty ilay mpangalatra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.

Ny fanomezana rariny ny olona

1- Noho nv tokantrano vao
Milaza ny fitsipika ampiharina amin'izay vao nampaka-bady ny Soratra Masina. Mampahatsiahv ny Tenin'i Jesoa hoe : « Moa mahay mifady va ny olona raha mbola ao aminy ny mpampakatra ? » Misy rariny tokoa hoan'ny tokantrano vao dia ny hampitoerana azy amin'ny hafaliana. Tahaka ny fanorenana trano mihitsy, tsy maintsv hatao mafy fototra izany mba tsv ho mora rava. Ny olona vao niova fo dia mitoetra manorina mafy ny finoany aloha mba tsy hiala eo amin'i Jesoa Kristy.

2- Noho ny zava-manahirana azy

Misy zavatra tsy azo hatao antoka satria iankinan'ny aina tahaka ny fìkosoham-bary. Faharatsiana ny mangalatra sy manandevo ny rahalahy. Samy zava-manahirana ireo ka tsy maintsy ny didy nomen'Andriamanitra no harahina mba hisy rariny ho an'izay misambotra eo amin'ny mpampisambotra ary mba hisy fanesorana ny mpanao ratsy tsy hirehareha amin'ny ratsy ataony. Mandeha amin'ny rariny sy ny hitsiny ao amin'ny Tompo isika raha mankato ny didy natao ho tandremana ao amin'ny Baiboly.

Fanontiana
Milazà tranga tokony hanomezana rariny ny olona ankehitriny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12