lundi 8 octobre 2018

Alatsinainy 08 Oktobra 2018 - Lio 12 : 41 - 48

41Tamin'izay dia niteny i Petera nanao hoe:
–Izahay ihany ve no ilazanao izany fanoharana izany sa ny olona rehetra koa?

42Ka hoy ny Tompo hoe:
–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ireo ny anjara sakafony ara-potoana? 43Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahatratra azy manao raharaha toy izany. 44Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 45Raha tàhiny kosa io mpanompo io manao anakampo hoe: «Mbola ho ela vao tafaverina ny tompoko», ka mihetraketraka amin'ny mpanompo hafa na lahy na vavy sady manaram-po mihinana sy misotro ary mimamo, 46dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany; hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin'ny tsy mpino.

47Fa ny mpanompo mahalala tsara ny sitrapon'ny tompony, nefa tsy mivonon-kanao ary tsy manatontosa, dia hahazo kapoka be. 48Izay tsy mahalala kosa, nefa manao zavatra tokony hikapohana azy, dia hahazo kapoka kely. Izay nomena be no hitakiana be; ary izy nanankinana be no hadinina bebe kokoa.

Mitsara ny olona araka ny asa natao ny Tompo

1- Mpanompo mahatoky mandray valisoa

Namaly ny fanontaniana nataon'i Petera i Jesoa Kristy. Nambara fa rehefa nandre, nahalala ny sitrapon' Andriamanitra ny olona dia tokony hiaina sy hanatanteraka izany eo amin'ny fiainana, eo amin'ny fotoana iandrasana ny fihavian'ny Tompo indray. Izay Tenin'Andriamanitra nohenoina, izay andraikitra nifìdianana sy nanendrena dia tokony raisina sy atao am- pitiavana hatrany noho ny fankatoavana an'Andriamanitra. Ho faly tokoa ny Tompo mahita ny mpanompo nofidiany manatanteraka tsara ny andraikitra napetraka taminy ka hanolotra valisoa. Fiainam-pahasambarana no anjaran'izay mahatoky tamin'ny fiainana ny Tenin'Andriamanitra sy ny andraikitra nanendrena azy.

2- Mpanompo tsv mahatoky : very anjara

Ambaran'i Jesoa Kristy fa raha toa ka variana amin- javatra hafa ilay mpanompo nomena andraikitra. Manao antsirambina ny asany, mihevitra fa mbola ho ela vao hiverina ny Tompony ka manao zavatra mifanohitra amin'ny tokony hatao dia hisy famaizana ho an'izany mpanompo tsy mahatoky izany. Midika izany fa izay manadino ny toro-marika omen'Andriamanitra, tsy miaina, tsy mankatoa ny sitrapon'Andriamanitra fa nianao izay maha diavolana ny sainy. Miaina amin'ny toe-panahy feno faharatsiana dia ho very anjara ao amin'ny Tompo raha tonga Izy. Tampoka ny fìhaviana ka mitsara ny olona araka ny nataony.

Fanontaniana:
Nahoana no misy tokoa olomboafidin'Andriamanitra manao an-tsirambina ny asa nifidianana azy

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12