samedi 13 octobre 2018

Sabotsy 13 Oktobra 2018 - II Pet 3 : 11 - 18

11Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin'Andriamanitra? 12Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian'ilay andron'Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! 13Kanefa isika, araka ny fampanantenàn'Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan'ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.

14Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo. 15Hevero fa ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr'i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen'Andriamanitra azy. 16Toy izany koa no ataony ao amin'ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin'ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin'ny teny hafa raketin'ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.

17Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan'ny hevi-dison'ireo ratsy fanahy, ka hiala amin'izay iorenanareo. 18Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.

Miomana amin'ny fihavian'ny Tompo

1- Manokana ny fiainana ho an'ny Tompo

Ho avy ny Tompo. Fihavina indray izay voalaza fa fiafaran'izao fiainana sy zavatra rehetra hita inaso izao. Manoloana izany dia mampiomana antsika mpino kristiana ny Tompo mba ho vonona tsara amin'izany. Fiomanana tsara indrindra ny fanokanana ny fiainana ho an'Andriamanitra mba hanana fitondrantena masina sy mivelona amin'ny toe-panahy miavaka (and.ll). Ny fanantenana ilay fìainana vaovao ampanantenain' Andriamanitra dia manery antsika ho amin'ny toe-panahy masina, ka handà ny filana ratsy sy ny zavatra izao tontolo izao. Mitaona antsika araka izany ho avy ny Tompo, meteza ianao mba hanokana ny fiainana ho Azy.

2- Mitombo amin'ny fahalalana an'i Jesoa Kristy

Eo amin'ny fotoana iandrasana ny fihavian'ny Tompo indray dia maro ny toe-javatra hiseho eo amin'ny fiainan' ny fiaraha-monina. Jesoa Kristy aza dia efa nampiomana fa hisy ihany koa ireo sokajin'olona hanao fampianarana hafa mifanohitra amin'izay nampianariny. Izany hoe hisy ny fampianaran-diso, ary amin'ireny fampianarana ireny dia familiana lalana ny finoana ananan'ny olona, fanesorana ny olona amin'ny fampianarana marina mitondra amin'ny famonjena ao amin'i Jesoa Kristy. Toro-marika iatrehana izany ny ahafahana mitombo amin'ny fahasoavana sy nv fahalalana an'i Jesoa Kristy mba ahafahana miorina tsara ao amin'ny famonjena efa notanterahiny teo amin'ny hazo fijaliana.

Fanontaniana:
Nahoana no misy kristiana variana manjehy ny andro lava ka tsy mahay miomana amin'ny fihavian'ny Tompo ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12