dimanche 28 octobre 2018

Alahady 28 Oktobra 2018 - Deo 6 : 14 - 19

14saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo. 15Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin'ny vatolampy mafy indrindra. 16Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin'ny mana, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay. 17Aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny tanjakay sy ny herinay no nahavorianay izao harena izao!»; 18tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahatò tahaka ny amin'izao anio izao ny fanekempihavanana izay nataony sady nianianany tamin'ny razambenareo.

19Fa raha hadinoinareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka andriamani-kafa no harahinareo sy hotompoinareo ary hiankohofanareo, dia milaza marimarina aminareo aho fa haringana mihitsy ianareo. 20Tahaka ny handringanan'ny TOMPO ireo firenen-tsamy hafa eo anoloanareo no handringanana anareo koa, satria tsy nohenoinareo ny feon'ilay TOMPO Andriamanitrareo.

Ny rariny hitarihin'ny Tompo

1- Manana Azy ho Andriamanitra Mpamonjy

Manao fanambarana ny Tompo fa Andriamanitra saro- piaro ízy, izany hoe, tsy ankasitrahany ny hanompoana andriamani-kafa toy ny andriamanitry ny firenena. Mampisaraka amin'ilay Mpamonjy ny fanompoana ireny ka hamafisiny indray eto ny dieny voalohany amin'ny didy folo : « Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany ». Voalaza eto fa hirehetan'ny fahatezerany ka hofongorany tsy ho eto ambonin'ny tany izay tsy mitandrina izany. Tsy didy lany andro ny didy folo ka aoka hotandremantsika koa.

2- Manao ny tsara sy mahitsv eo imasony

Tsy mba sitraky ny Tompo ny maka fanahy Azy tahaka ny nataon'ny Zanak'Israely tao Masa. lzy rahateo tsy mba maka fanahy olona. Ampianariny isika mba handeha sy hisafidy hanao ny tsara sy mahitsy eo imasony mba hahita soa sy handova ny tany nampanantenainy omena antsika ary hesoriny tsy hahavoa antsika ny fahavalo. Maneho amintsika ny fitiavany amin'izany teny izany ny Tompo ka nino sady natoky Azy ireo nandray tsara ny Teniny. Maneke ho tarihin'ny Tompo isika mba ahazo ny anjara tsara tsy hesoriny amintsika intsony. Aza avela handalo fotsiny ny didin'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Hitanao ve ny rariny hitarihan'ny Tompo ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12