mardi 2 octobre 2018

Talata 02 Oktobra 2018 - Fil 1 : 27 - 30

27Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy. Ka amin'izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin'ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly. 28Aoka tsy ho azon'ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin'Andriamanitra. 29Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an'i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy: 30dia ny miatrika ady mitovy amin'izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

Ny fìainan'ny mpino

1- Mitondra tena araka ny filazantsara

Mitaona ny kristiana mba iaina mifanaraka amin'ny Filazantsara i Paoly Apostoly. Tiany ampahatantarina fa tsy teny toriana na ampianarina fotsiny ny filazantsara fa Teny tonga fiainana. Ny hafatry ny filazantsara no tokony hibaiko sy hitondrana ny fiainan'ny mpino isan'andro. Raha miaina marina amin'ny filazantsara ny mpino dia miavaka ny fiainan'ny fiaraha-monina satria manjaka ny fifankatiavana, ny fiombonana ho amin'ny asa fanompoana hampandrosoana ny fitoriana ny filazantsara hitaona sy hitarihina ny hafa ho amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy. Tarihina araka izany isika mba hanana fitondrantena mifanaraka amn'ny Filazantsara.

2- Mandresy ny fahavalo

Rehefa miaina marina amin'ny Tenin'Andriamanitra ny kristiana dia tsy ahita lalana hanakorontanana ny fiainan'ny fiangonana na ny mpino ny fahavalo. Na dia mitsangana hanohitra tokoa mantsy izy ireny. Mikendry handrava, hampahory dia ho very maina ny ezaka ataony satria efa mafy orina ny finoana ny amin'ny famonjena nataon'i Jesoa Kristy, eny efa mafy orina ny fiombonam-piainan'ny mpino. Tsy ho resy manoloana ny fahavalo ny mpino fa ho mpandresy. Mitaona antsika mba tsy hatahotra manoloana ny fahavalon'ny filazantsara. Mijoro mandrakariva fa hampandresy anao i Jesoa Kristy, Ilay efa niharam-pahoriana kanefa nadresy ny fahavalo rehetra.

Fanontaniana :
Inona no tokony atao mba hanoherana ny fahavalon'ny Filazantsara ? Hazavao ny hevitrao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12