lundi 22 octobre 2018

Alatsinainy 22 Oktobra 2018 - Asa 4 : 1 - 12

1Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka teo i Petera sy i Jôhany, dia indreo tonga ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary koa ny Tsadoseanina. 2Tsy zakan-dry zareo mihitsy ny ampianarin'izy roa lahy ny vahoaka sady itoriany fa tanteraka ao amin'ny tenan'i Jesoa ny fitsanganana velona avy any amin'ny maty. 3Nosamborin'izy ireo i Petera sy i Jôhany, ary satria efa hariva ny andro, dia nataony am-ponja mandra-paharainan'ny andro. 4Maro kosa tamin'izay nihaino ny tenin'Andriamanitra no nino, ka tafakatra ho dimy arivo ny isan'ny vatan-dehilahy mpino.

5Nony ampitson'iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona sy ny mpahay lalàna 6ary koa i Hanà mpisorombe sy i Kaiàfa, i Jôhany sy i Aleksandra mbamin'izay rehetra havan'ny mpisorombe. 7Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Jôhany sady nanontaniany hoe:
–Fahefana ahoana moa na amin'ny anaran'iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?

8Feno Fanahy Masina i Petera tamin'izay ka nanao hoe:
–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin'ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran'i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana kanefa natsangan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty. 11I Jesoa no Ilay voalazan'ny Soratra Masina hoe:

«Ny vato nolavinareo mpanao trano
no nanjary vato fehizoro!»

12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin'ny lanitra anarana hafa nomen'Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

Ny fahombiazan'ny fitorianteny amin'ny fahasahiana

1- Mampitombo isa ny mpianatry ny Tompo

Tonga dimy arivo ny lehilahy nanaiky ny Filazantsara nentin'ny Apostoly Petera sy Jaona noho ny fahasahiana nanatanterahany ny iraky ny Tompo. Sitrana ilay lehilahy malemy tongotra noho ny nanekeny tamin'ny finoana ny Teny nambara taminy. Rariny ny nahazoany izany fanasitranana izany mba ho tonga vavolombelona koa izy. Ary ny fitorianteny ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty dia nambabo ny olona maro ihany koa tamin'izany. Rehefa feno ny fanahy ny mpitoriteny dia tafapaka ao amin'ny fon'ny mihaino ny hafatr'Andriamanitra. Koa aoka ho feno ny Fanahy Masina ny mpitoriteny rehetra.

2- Mampandresy ny mpanompon'ny Tompo

Nampihorohoro ny lehiben'ny mpiambina sy ny Sadoseo izay tsy mino ny fitsanganan'ny maty ny fampianaran'ny Apostoly Petera sy Jaona ka dia niafara tamin'ny fampidirana am-ponja azy ireo. Nahajoro hatrany anefa izy ireo rehefa nanambara indray ny Filazantsara dia i Jesoa Krsity Mpamonjy. Ny mpanapaka sy ny synedriona nanameloka an'i Jesoa ihany indray eto no manadina azy ireo. Naharihariny «... fa tsy misy anarana hafa ambanin' ny lanitra nornena ny olona izay hahazoantsika famonjena » (and.12). Mampahery antsika ho sahy hitory ny Filazantsara na dia tsy mora aza ny vokatr'izany.

Fanontaniana :
Inona no mety miandry antsika rehefa mitoriteny amin'ny fahasahiana isika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12