mercredi 24 octobre 2018

Alarobia 24 Oktobra 2018 - Jer 22 ; 1 - 5

1Izao no voalazan'ny TOMPO tamin'i Jeremià:
–Midîna any an-dapan'ny mpanjakan'i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity 2ary lazao hoe: «Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianao, ry mpanjakan'i Joda izay mipetraka eo amin'ny sezafiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny manamboninahitrao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahadin'ny lapa ireto.» 3Izao no lazain'ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan'ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin'ity toerana ity. 4Raha manaraka tokoa izao teny izao ianareo, dia mbola hisy ihany mpanjaka hipetraka eo amin'ny sezafiandrianan'i Davida, ka handehandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy. Ho afaka mandalo hatrany amin'ny vavahadin'ity lapa ity izy sy ny manamboninahiny ary ny vahoakany. 5Fa raha tsy hihaino izany hafatra izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako ary Izaho TOMPO no miteny hentitra, fa ho rava tokoa ity lapa ity.

Ny fananarana mafy omena ny olona

1- Mba hialany amin'ny fampahoriana ny hafa

Maha saropiaro an'Andriamanilra ny olony tsirairay izay eo anatrehany, indrindra ny mino Azy. Anariny mafy tokoa ny mpanjaka mpampahory ny vahoakany dieny mbola misy fotoana hibebahana ka hanarenany ifotony ny fitondrana. Manoro ny làlana tsara tokony hitarihana ny vahoaka ny Tompo ary milaza ny mety ho vokatry ny fifikirana amin'ny ratsy. Izay mandray izany fananarana izany no mpankato an'Andriamanitra satria mahay mifidy ny tsara araka ny voasoratra hoe : « Sambatra ny firenena izay manana ny Tompo ho Andriamaniny ».

2- Mba hananany fiainana mendrika

Manaporofo ny fananana finoana ny fanekena ny Teny omen'Andriamanitra. Jesoa Kristy raha nampianatra dia feno fananarana ny Teniny mba hitandremana ny didin' Andriamanitra eo amin'nv fiainana isan'andro. Manana fiainana mendrika tahaka ny hitohizan'ny fanjakana avy amin'Andriamanitra tao amin'ny Israely raha mankato sy mihaino ny Teniny. Isika koa dia ampirisihina ho mpihaino mankato mba tsy hamitaka ny tenantsika. Mazava ny didin'Andriamanitra, dia ny tsy hanisiana fampahoriana ny hafa.

Fanontaniana :
Ahoana no hamantarana ny olona mandray fananarana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12