mardi 30 octobre 2018

Talata 30 Oktobra 2018 - Oha 15 : 1 - 8

1Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana;
fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.
2Ny fitenin'ny hendry manosaka fahalalana mahasoa;
fa ny vavan'ny adala kosa mampiely fahadalana.
3Ny mason'ny TOMPO dia mijery eny rehetra eny
ka mahita ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4Ny teny mamy dia mitondra aina;
fa ny vava ratsy kosa mandrera-po.
5Ny adala manamavo ny fananaran-drainy;
fa izay mandray tsikera no hita ho hendry.
6Harem-be no ao an-tranon'ny olo-marina;
fa mampiahiahy kosa no harikaren'ny olon-dratsy.
7Ny tenin'ny hendry mampiely fahalalana;
fa hafa noho izany kosa ny fon'ny adala.
8Halan'ny TOMPO ny sorona aterin'ny olon-dratsy;
fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.

Izay teny ahazoana sitraka amin'ny Tompo

1 -  Mamalv mora

Fanesorana afon'ny fahatezerana ny famaliana mora, izany hoe, miravona sahady amin'ny ampahany betsaka ny ady raha miezaka tsy mitabataba sy miteny mafy. Manambara ny fahendrena nomen'Andriamanitra ny mino izany ka azo iainana sy ampiharina eo amin'ny fiainana tsara. Feno fananarana ny bokin'ny ohabolana fa izay iraisan'ireo dia ny hahatonga ny mino handray ny hery sy fahendren'Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, izay na nokapohina sy noratraina ary nohombohana tamin'ny hazo fijaliana aza dia tsy namaly : « tsy niloa-bava »

2- Malemv

« Hazon'aina » no ilazana izany eto, izany hoe mitondra fahavelomana, mampiombona amin'Ilay Tompon'ny aina. Maneho an'i Jesoa Kristy feno fìadanana ka tsy mba nitondra soavaly raha niakatra tany Jerosalema fa zana-boriky tanora no mba nentiny ho fanehoany ny maha Mpanjakan'ny fiadanana Azy. Mananatra ny maniratsira sy ny tsy mino mba hitodihan'ireo amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra kosa. Mamelona finoana ao amin'izay mila ho kivy sy reraka eo amin'izao fiainana izao. Ny vavaka ataontsika no mahatanteraka ireo teny hahazoana sitraka ireo. Ampy ny fiainana ny finoana an'i Jesoa Kristy sy ny nandraisantsika ny famonjeny.

Fanontaniana:
Nahoana no miteny. mora sy miteny malemy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12