vendredi 19 octobre 2018

Zoma 19 Oktobra 2018 - Gal 3 : 19 - 29

19Inona àry no anton'ny lalàna? Ny lalàna dia zavatra natovana mba hampiharihary ny fandikan-dalàna, mandra-piavin'ilay taranaka iantefan'ny fampanantenana. Fa ny lalàna dia natolotr'anjely teo an-tanan'ny mpanalalana anankiray; 20kanefa ny mpanalalana dia tsy an'ny iray ihany, fa Andriamanitra kosa no iray ihany.

21Manohitra ireo fampanantenana nataon'Andriamanitra àry ve ny lalàna? Sanatria! Raha lalàna afaka mamelona no nomena, dia ny lalàna mihitsy no hahatonga ny olona ho marina eo imason'Andriamanitra. 22Kanefa voalazan'ny Soratra Masina fa voageja teo ambany fahefan'ny fahotana avokoa izao rehetra izao, hany ka ilay fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia hatolotra an'ireo mino, noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy.

23Talohan'ny hahatongavan'izany finoana izany, dia voagadra sy voageja eo ambany fahefan'ny lalàna izahay Jiosy mba hiandrandranay ny finoana izay efa hambara atỳ aoriana. 24Koa ny lalàna dia nanjary mpitaiza anay mba hiandrandranay an'i Kristy, ka hahatonga anay ho marina eo imason'Andriamanitra noho ny finoana. 25Efa tonga kosa ankehitriny izany finoana izany, ka tsy fehezin'ny mpitaiza intsony izahay.

26Noho ny finoana manko dia zanak'Andriamanitra avokoa ianareo, satria tafaray amin'i Kristy Jesoa. 27Eny, ianareo rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan'i Kristy. 28Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa. 29Ary raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny fampanantenana nataon'Andriamanitra.

Ny finoana an'I Krìsy Jesoa no anaovana antsika ho zanak' Andriamanitra. eto. Manafaka antsika amin'ny fangejana tsy mampandroso nateraky ny lalàna io fìnoana io, izany hoe. rehefa mino an'i Jesoa nitondra ny famonjena teo amin'ny hazo fìjaliana isika dia tonga olona afaka amin'ny ota. Ny fìnoana no mahavonjy araka ny voasoratra hoe koa : « minoa an'i Jesoa Tompo dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao ».

1- Mandrava izay mampisaraka ny fìnoana

Ao amin'i Kristy Jesoa no hananantsika fiombonana tsy sarahin'ny toe-javatra na inona na inona. Nametraka marika na tombo-kase. Izy dia ny Batisa amin'izany. Voaisa ho vahoakan'ny fanjakan'Andriamanitra ny vita Batisa rehetra ary miaina dieny ety antany ny fiainana any andanitra. dia ny maha zanak'Andriainanitra : manao ny marina sy mahitsy ary tia ny rariny. Tsy mitady izay hanavahany ny tenam amin'ny hafa ary tsy manao izay hampihataka ny hafa ihany koa.

2- Manana anjara ao amin'ny Tompo

Fanamarinana amin'ny finoana. mitafy an'i Kristy mandova araka ny teny fikasana, ireo no anjara hita eto, efa hiveloman'ny mino dieny izao. Tsy misy afaka manaisotra ireo intsony ao amin'izay mino an'i Kristy Jesoa. Mitombo fahasoavana hatrany amin'ny fahalalana ny Tompo rehefa mitàna ny finoana ao toy ny ampinga miaro amin'ny zana-tsipika alefan'ilay ratsy. Mahereza mivavaka hampitoetra ny finoana ao amin'ny Tompo.

Fanontaniana :
Azonao antoka ve ny anjaranao ao amin'ny Tompo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12