mardi 23 octobre 2018

Talata 23 Oktobra 2018 - Amo 8 : 4 - 6

4Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra
sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin'ny tany,
5ka velom-panontaniana anakampo hoe:
Rahoviana no hifarana ny fetin'ny tsinam-bolana
ka hivarotantsika vary?
Rahoviana no hifarana ny sabata,
mba hanokafantsika ny sompitra?
Hohakelezintsika ny zinga famarana,
hampitombointsika ny vato fandanjana,
mizàna mandainga no hampiasantsika,
6ary hatramin'ny vary loha-kororoka
no hamidintsika.
Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra,
noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

Andriamanitra miaro ny malahelo sy ny mpandefitra

1- Mahalala ny hevi-dratsy rehetra hatao amin'ireo

Ireo mpanambaka sy mpampahory ny mahantra dia mihanjahanja eo anatrehan'ny Tompo. Fantany ny fikasan-dratsy rehetra ka izany no hiarovany ny mpanompony izay malahelo sy hianjadian'ny tsy rariny andavanandro. Manana famaliana ho an' ireo manao teti- dratsy ireo ny Tompo (and.7 sns). Tokony ho feno fahatokiana Azy isika fa mtsinjo antsika iharan'ny fampahoriana sy ny tsy rariny Izy Tompo. Tsarovy ny Teniny hoe : « Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory » (Jos.1.5). Tonga ho antsika ny famonjen'i Jesoa Kristy ka ny finoana Azy no aoreno mafy.

2- Manatsotra ny sandriny hamonjy azy hatrany

Na dia mampanjaka ny tsy rariny aza ireo mpampahory ny mahantra ireo. Andriamanitra tsy nitazam-potsiny fa miteny sy mampitandrina azy ireo kosa. Manamafy izany ny nahatongavan'i Jesoa Kristy teto antany mihitsy handrava nv fampahoriana ka ny tenany dia nanaiky ho tonga malahelo mba hampanan-karena azy ireo kosa. Izany hoe, tanjon'ny Tompo Jesoa ny fanafahana antsika amin'izay mamatotra na inona na inona. Izany no nilazany hoe : « raha ny zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo ». Matokia ny Tenin'ny Tompo isika.

Fanontaniana :
Ahoana ny fahatsapanao fa momba antsika Andriamanitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12