vendredi 26 octobre 2018

Zoma 26 Oktobra 2018 - Mat 25 : 31 - 46

31–Rehefa ho avy amin'ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak'olona sady hotronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny sezafiandrianany mamirapiratra. 32Ary hangonina eo anatrehan'ny Zanak'olona ny firenena rehetra. Dia hanavaka ny olona ho roa tonta ny Zanak'olona, tahaka ny mpiandry manavaka ny ondry amin'ny osy; 33ka ny ondry no hataon'ny Zanak'olona eo ankavanany fa ny osy hataony eo ankaviany. 34Ary dia izao no holazain'ny Mpanjaka amin'izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn'ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an'izao tontolo izao. 35Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36tsy nitafy Aho, dia notafînareo; narary Aho, dia nokarakarainareo; tany am-ponja Aho, dia novangianareo.» 37Ary dia hanontany Azy ny olo-marina ka hanao hoe: «Tompo ô, oviana Ianao no hitanay noana ka nomenay hanina; na nangetaheta ka nampisotroinay? 38Oviana Ianao no hitanay nivahiny ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafînay? 39Oviana Ianao no hitanay narary na tany am-ponja ka novangianay?» 40Dia hovalian'ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»

41Ary dia izao kosa no holazain'ny Mpanjaka amin'izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin'ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny. 42Fa noana Aho, dia tsy nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia tsy nomenareo hosotroina; 43Nivahiny Aho, dia tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, dia tsy notafînareo; narary sy tany am-ponja Aho, dia tsy nokarakarainareo.» 44Ary dia hanontany Azy kosa ireo ka hanao hoe: «Tompo ô, oviana Ianao no hitanay noana na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany am-ponja ka tsy nampianay?» 45Dia hovalian'ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto havako madinika indrindra ireto no tsy nataonareo tamiko.» 46Dia hiroso ho any amin'ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay.

Ny vokatry ny fínoana iainana

1- Hampadova ny fiainana mandrakizay

Rehefa ho avy ny Zanak'olona dia hanavaka ny mino, tena niaina tamin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra amin'izay milaza fa mino nefa tsy mba nanatanteraka izay nampanaovin'ny Tompo azy akory. Hisy izany ireo ilazany hoe : «Avia ianareo izay notahian'ny Raiko, mandovà ny fanjakana voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao... » (and.35). Nataony teo ankavanany ireo ary nomarihany tsara fa nanampy ireo madinika mino ny Tompo. Fa ao kosa ireo tsy niaina tamin'ny finoana ka nilazany hoe : « Mialà Amiko. ianareo izay voaozona. ho any amin 'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an 'ny devoly sy ny anjeliny... » (and.41). Efa nifidy ny hifaly kanefa tsy nanao izay mahafaly ny hafa.

2- Handraisam-pitahiana isan'andro

Tonga fitahiana ho an'ny manodidina azy ny mino rehefa miaina amin'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy mba sarotra ho azy mantsy ny mizara izay nomen'ny Tompo satria mpankato ny Teny izv. Ohatra : « Izay nomena maimai-poana dia aoka hizara maimai-poana». Iveloman'ny mino ny fitiavan'Andriamanitra ka asehony amin'ny asany izany finoana izany. Tsy mamihin-tànana, tia manao soa, mandray andraikitra, mitady izay mahasoa ny hafa fa tsy ny tenany ihany. Manana an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy halain-tahaka izy isan'andro.

Fanontaniana :
Miaina amin'ny finoana kristiana ve isika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12