mercredi 31 octobre 2018

Alarobia 31 Oktobra 2018 - Asa 8 : 14 - 24

14Ren'ny apôstôly tany Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra ny mponina tao Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy i Jôhany. 15Rehefa tonga tany Samaria izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny mpino mba handraisany ny Fanahy Masina; 16satria tsy mbola nisy nilatsahan'ny Fanahy Masina ireo mpino ireo na iray aza, fa vita batisa tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany. 17Dia nametrahan'i Petera sy Jôhany tanana izy rehetra ka nandray ny Fanahy Masina.

18Nony hitan'i Simôna fa ny fametrahan'ny apôstôly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina tamin'ireo mpino, dia notolorany vola i Petera sy i Jôhany 19sady nataony hoe:
–Omeo ahy koa re izany fahefana izany, dia mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.

20Fa hoy i Petera taminy:
–Vereza miaraka amin'ny tenanao ny volanao satria nataonao fa azo vidîm-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21Tsy misy anjaranao na lovanao amin'ity raharaha ity satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra ianao. 22Koa ialao izao faharatsianao izao ary mangataha amin'ny Tompo mba hamelany izany fihevitry ny fonao izany, raha azo atao. 23Hitako manko fa mbola feno fialonana mangidy sy voafatotry ny fahotana ianao.

24Dia hoy i Simôna tamin'i Petera sy i Jôhany:
–Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.

Ny fametrahan-tànana hanomezana Fanahy Masina

1- Ataon'izay efa nomena ny Fanahy Masina

Petera sy Jaona dia tonga tany Samaria ka nametra-tànana sy nivavaka mba ahazoan'ireo efa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesoa, ny Fanahy Masina. Nahazo rariny hanatanteraka izany izy ireo satria efa nomena azy ny Fanahy Masina. Fony Jesoa mbola teo aminy dia nambaran'i Jesoa taminy ny tsy fahafantaran'izy ireo ny toetry ny fanahy ao anatiny (Lio. 9,55). Hosotra masina ny Fanahv Masina ka izay nomena dia vita tombo-kase fa an'ny Tompo izy ary miasa sy manompo Azy. Enga anie mba ho tsaroantsika ny nanomezany ny Fanahy Masina.

2- Raisin'izay miala amin'ny fahotana

Na azo vidiam-bola avokoa aza ny zavatra rehetra ankehitriny, dia tsy voavidim-bola na oviana na oviana kosa ny Fanahy Masina. Izay mibebaka ka miaiky ny heloka sy ny fahotany ary miverina amin'ny fo marina hanompo an' Andriamanitra, ka mahazo famelan-keloka dia omen'ny Tompo ny Fanahiny Masiny : « ny Fanahiko no ataoko ao anatinareo » hoy ny Tompo (Eze.36,27). Misy làlan-kizorana mialoha ny handraisana ny Fanahin'nv Tompo. Noho izany, mandrosoa ao amin'ny Tranon'Andriamanitra mba hahazo izany. Ny Fanahy Masina no manamarina nv maha zanak'Andriamanitra ihany koa.

Fanontaniana :
Oviana ny fotoana nandraisanao ny Fanahy Masina ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12